airtel

Actualités

24-oct-2022

Actualités

Faritra Bongolava Tovovavy kely miisa 11 no voaolana tao anatin’ny 9 volana

Sample post image

Tsy eto an-drenivohitra ihany fa na any amin’ny faritra koa aza dia mirongatra ny fanolanana mahazo ireo ankizivavy kely sy ankizilahy kely.

24-oct-2022

 Ho an’ny Faritra Bongolava manokana ohatra dia tafakatra 11 isa ireo lasibatra tato anatin’ny 9 volana raha nahatratra 627 kosa teto an-drenivohitra. Saika ny raikeliny, ny dadabeny, ny dadatoany, ny anadahiny, olona mpiara-monina no mahavita manimba ireny zaza tsy manan-tsiny ireny. Vaovao farany tamin’ny faran’ny herinandro teo ohatra dia zazavavy kely vao 14 taona monja mpianatry ny CEG no naolan’ny anadahiny ( cousin) tao Manjaka-Avaratsena, Soavinandriana Faritra Itasy ka rava tanteraka ny fahadiovany. Ny alatsinainy 26 septambra teo no nisehoan’ity tranga mampalahelo ity tokony ho tamin’ny 07 ora hariva raha ny vaovao azo. Naiditra am-ponja vonjimaika ao Miarinarivo, omaly, ilay voatondro ho mpanolana ity, miandry ny fitsaràna azy, amin'ny 23 novambra ho avy izao. Raha araka ny fantatra moa dia efa maimbo toaka ity tovolahy ity no tonga tao amin'io anabaviny io, nangataka rano mba hosotroiny. Rehefa laniny anefa ilay rano dia nitokona tao izy fa tsy nety nivoaka. Natosiny teo am-pandriana ilay zaza sady notampenany tamin'ny tanany ny vavany mandra-pahavitany ny filàny. Narary valahanabe moa ity zaza ity vokatr’ilay fanolanana nahazo azy ka nitaraina tamin’ireo Ray aman-dReniny, antony nahafantarana ny marina na dia efa voarahona mafy aza.
Pati
Legende : Anisan’ireo nanolana zazavavy kely any amin’ny Faritra Itasy ity tovolahy ity
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap
16-mai-2025

Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny

Card image cap
16-mai-2025

Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na

Card image cap
16-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,

Card image cap
16-mai-2025

Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,

Card image cap
16-mai-2025

Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.

Card image cap