Taorian’ilay lakana tany Ambilobe saika hitondra olona 47 isa an-tsokosoko ho any Mayotte dia tratra tao Nosy Be indray ilay vedety saika hitondra trondro an-tsokosoko ho any Mayotte. Trondro 2 taonina sy solika 840 litatra no tao anatin’ity sambo haingam-pandeha ity hita tao Dzamandzar, Dar es Salaam, Nosy Be ny sabotsy alina teo. Sambo kely kosa no saika hitaterana azy ireo, ahitana milina 03 izay 40CV isanisany avy. Any Mayotte mihitsy moa no saika alefa ireo tondro ireo. Efa mandeha ny famotorana ny tompon’ilay vedety sy ireo mpiray tsikombakomba aminy. Efa nogiazana daholo koa ireo fitaovana tratra tsy manara-dalàna rehetra ireo. Tsy olona iray na roa moa no tompon’antoka amin’izao zava-mitranga mampalahelo any amin’ny faritra DIANA izao hoy hatrany ny loharanom-baovao fa efa misy tambajotra mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay vedety tratra
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa