airtel

Actualités

13-déc-2022

Actualités

Faritra SOFIA Navoaka ny fonja ilay DAF voarohirohy ho nahafaty olona ?

Sample post image

Ny alin’ny alahady 20 desambra lasa teo no nisiana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona tao Ambendrana ‚ fokontany Ankiririky ‚

13-déc-2022

kaominina Ambonivohitry Antsohihy, saingy tsy fantatra mazava ny tompon’antoka satria voalaza fa nandositra. Efa nisy kosa ny fitoriana olona tsy fantatra (Plainte contre X) nanondro ankolaka ary miahiahy mafy ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny faritra Sofia. Nisy ireo manondro mivantana fa tompon’antoka tamin’io raharaha iny ilay tompon’andraikitra ao amin’ny faritra Sofia io . Nisy ny antso nataon’ny mpampanoa lalàna hanamarinana ny vaovao ka mba hijoro vavolombelona na hanome vaovao ny tompon’andraikitra misahana ny fanadihadiana na ny Tonia mpampanoa lalàna mivantana ka tazonina ho tsiambaratelo izany ho fiaravona ny mpanome vaovao. Niantso ihany koa izay manam-baovao ankoatran’ireo ka mari-pototra mba hanampy amin’ny fikarohana sy fanadihadiana ataon’ny tompon’andraikitra. Ny alahady 11 desambra teo, nampidirina am-ponja vonjimaika ny Tale ara-bola (DAF) Faritra Sofia antsoina hoe J. Eric, izay voatonontonona ho tompon’antoka tamin’ilay fahafatesan’olona rehefa nandeha ny fanadihadiana sy ny fikaroham-baovao. Fandosirana sy tsy fandraisana andraikitra (Délit de fuite) sy vono olona tsy niniana natao (Homicide involontaire) no heverina fa vesatra voalohany ahafahana mitazona azy am-ponja vonjimaika. Nisy anefa ny resaka niely omaly, fa dia tonga tany am-ponja namoaka io DAF io ny olobe iray ao amin’ny faritra Sofia. Raha mitombina tokoa io, dia tsy mifankaiza amin’ilay raharaha filanjana basin’ilay manamboninahitra kolonely Tale Kabinetran’ny faritra Melaky teo aloha nandrahona ny polisy namoaka ny mpamiliny voahidy tany amin’ny Kaomisaria, tao Maintirano ny faran’ny volana aogositra lasa teo. Eto indray izany dia ny governora mihitsy no miditra an-tsehatra raha izay tokoa no zava-misy. Tsy mbola misy didy mazava sy raikitra milaza fa meloka ilay olona voarohirohy, tsy afaka miandry ny raharaham-pitsarana ve tsy maintsy manampatra hery sy fahefana? Mbola azo lazaina ho tany tan-dalàna ve ny firenena? Inona no fepetra raisina amin’ireny olom-panjakana manohintohina ny lalàna sy ny fitsarana ireny sa dia tazanim-potsiny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap