airtel

Actualités

14-déc-2022

Actualités

Faritra Vakinankaratra Mbola olana goavana ny fambolena sy fiompiana

Sample post image

Velona sy miroborobo ny fikambanana ifanampian'ny terak'i Vakinankaratra, sampana Antananarivo Renivohitra na Fiteva SAR, hoy ny fampitam-baovao voaray.

14-déc-2022

Voaporofo izany ny faran'ny herinandro teo nandritra ny fihaonamben'ny mpikambana teny amin'ny La Villa Verte Ambatomirahavavy. Olona maherin'ny 1500 isa no namaly ny antson'ny birao mpitantana, nifampizara vary be menaka sy nifankahalala ary nikorana niaraka tamin'ireo artiste maro zanaky ny faritr'i Vakinankaratra. Ny Fiteva SAR moa dia iray amin'ireo sampan'ny Fiteva mijoro amin'ny faritra maro eto Madagasikara. Ny Fiteva izay fikambanana niforona tamin'ny taona 1954. Tratra ny 95%n'ny tanjona tamin'ny fikarakarana ny hetsika vary be menaka, hoy ny filohan'ny Fiteva Sar, Rijamanana Jean Ernest. Isan'ireo namaly ny antson'ny Fiteva SAR teny Ambatomirahavavy ny minisitry ny angovo sy ny akoran'afo, Andry Ramaroson, izay zanak'i Vakinankaratra ihany koa. Nanome toky izy fa hitondra ny anjara birikiny ho amin'ny fampandrosoana an'i Vakinankaratra, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Mbola misy ny olana sy sakana ho an'ny faritr'i Vakinankaratra, tsy hahafahany tena mivoatra sy mandroso araka ny tokony ho izy, hoy ny solombavambahoakan'Ambatolampy, fantatry ny maro amin'ny hoe Ramims. Isan'ny goavana amin'izany ny tontolon'ny fambolena sy fiompiana izay fototry ny velontenan'ny mponin'i Vakinankaratra. Mila fanohanana sy fijerena manokana ireo sehatra ireo, hoy hatrany izy, raha tiana ny hampandroso kokoa ny faritra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap