airtel

Actualités

20-mai-2026

Faritra Vatovavy

Naato avokoa ny

Sample post image

fitrandrahana harena an-kibon’ny tany

20-mai-2026

Namoaka fanapahana ny Faritra Vatovavy fa miato avokoa ny asa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao amin’ny faritra. Tanjona ny fanarenana sy fanadiovana ny sehatra fitrandrahana mba hahazoana antoka fa manampy amin’ny fampandrosoana maharitra ny asa ara-toekarena. Araka ny fanazavana anatin’ny taratasy nosoniavin’i Dr. Hanitriniaina Elys K., Lehiben’ny Faritra Vatovavy, manana harena an-kibon’ny tany be dia be ny faritra saingy tsy nahazo tombontsoa ara-toekarena ny mponina hatramin’izay. Noho izany, ny fampiatoana dia natao hanamafisana ny fitantanana tompon’andraikitra sy ny fanarahana ny lalàna. Hojerena akaiky ny fahazoan-dalana sy ny fepetra ara-tontolo iainana amin’ireo orinasa miasa amin’ny sehatra ary tsy maintsy manatanteraka ny adidy sosialy sy ny fanampiana ny mponina manodidina ireo mpitrandraka. Nanamafy ihany koa ny Lehiben’ny Faritra fa ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana dia mbola ho fototra amin’ny fampandrosoana rehefa voahaja tanteraka ny fitsipika. Ity hetsika ity dia manamarika fivoarana lehibe amin’ny fitantanana ny harena voajanahary eto Madagasikara ary mety hiteraka fahazavana sy mangarahara amin’ny sehatra fitrandrahana, fampandrosoana mifototra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mponina ary fampihenana ny fahasimban’ny tontolo iainana. Niteraka adihevitra maro teo amin’ny mpitrandraka, ny tompon’andraikitra ary ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana ny fanambarana ary maro no mihevitra fa dingana ilaina izany mba hanombanana indray ny fifandanjan’ny tombontsoa ara-toekarena indrindra eny ifotony sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Faritra anisan'ny misy volamena, safira, bauxite, quartz,... i Vatovavy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-mai-2026

Fanjakana, nanolotra 150 tapitrisa Ar »

Card image cap
20-mai-2026

Mitaraina ho nataon'ny mpanao politika fitadiavan-tseza fotsiny

Card image cap
20-mai-2026

Misy fihatsaràny ny famatsian-drano

Card image cap
19-mai-2026

afaka mitory rehefa tapitra ny fivorianay ! »

Card image cap