Omaly alahady, avandrabe ihany koa ny tany amin'ny Kaominina Ambatomanga distrikan’I Manjakandriana sy ny manodidina. Nanomboka tamin'ny 5 ora ariva ary mbola tsy levona tamin’ny 7 ora hariva, raha ny tatitra. Tany amin’ny faritra Vakinankaratra ihany koa, nisy ny toerana lasibatra, ka isan’izany ny tany Ambohibary Sambaina, izay tena goavana dia goavana. Fahapotehana amin’ny ankampobeny no entiny satria lasibatra ny vola sy ny zava-maniry samihafa, na ekena aza fa mitondra rano sy manamando ny tany. Isan’ny voka-dratsy ateraky ny famotehana tontolo iainana, toy ny doro tanety tsy hifankahitana ny avandra.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa