airtel

Actualités

09-août-2023

Actualités

FASANA AMBAHAVALA SAMBAVA Tovolahy tratra nanoroka karan-doha

Sample post image

Tovolahy iray omaly Alarobia 08 Aogositra maraina no tratra nanao bouche a bouche na horokabe tamina karandohan’olona efa maty tao amin’ny Fasana Ambahavala Sambava.

09-août-2023

Nosimbainy ny hazovato miisa 3 nandritra izany nakany ilay karan-daoha tao anatin’ilay tranon-drazana. Soa ihany anefa fa nisy olona nanamboatra tranon-drazana naheno fa ny zavatra nataon’ity tovolahy ity ka nijoko azy moramora. Rehefa nojereny tokoa dia hitany ilay tovolahy efa mifalibe sady nanome horoka mamibe ilay bakaran-doha. Taitra ireo roalahy izay nanamboatra tranon-drazana ka niantso haingana ny mpitandro ny filaminana teo anivon'ny kaominina sy ny zandary . Nanazava ity tovolahy ity fa nohon'ny olana vokatry ny tsy fahampian’ny fitiavana sy ny fifohana jamala no nahatonga ho lasa adala tahaka izao. Miantso ireo olona manana havana milevina ao amin’io faritra io moa ny mpitandro ny filaminana mba samy hanara-maso ny razany.
Pati

 

 

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap