airtel

Actualités

14-déc-2022

Actualités

Fenoarivo - Ambatofinandrahana Misy depiote miditra amboletra amin’ny karieran’olona…

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mpitrandraka madinika, manana taratasy ara-dalàna amin’ny fitrandrahana vato any amin’ny Fokontany Ambalamahatsara, kaominina Fenoarivo, disitrika Ambatofinandrahana, Faritra Amoron’i Mania.

14-déc-2022

Tsy hanaiky ny fanararaotam-pahefana ataon’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany Beloha sur Tsiribihina. Nanambara ireo manana taratasy ara-dalàna araka ny fahazoan-dàlana 3273, fa miditra ankeriny sy mandroba ao amin’ny tanin’izy ireo ny Depiote R Jeannot. Tsy ireo ihany anefa no nitaraina fa hatramin’ny olona maro efa miasa amin’izany toerana izany, hoy ny fanamarihana. Nampiasa fitaovana matanjaka (poclain) io depiote io ary mirehareha amin’ny maha IRD azy, hanaovana izany fandrobana izany, izay hampiasany fitaovana maro, hoy hatrany fitarainana. Mitaraina noho izany ireo mpitrandraka manara-dalàna fa mihoampampana ny fatiantoka eo amin’izy ireo. Ny vola aloa amin’ny fanjakana efaina daholo, ny entana azo anefa zara raha misy satria hidiran’ny ekipan’ingahy R.Jeannot izay lavaka efa mahazo, misy olona eo am-perin’asa no hanaovana bodingerona sy amboletra fotsiny izao. Tsy afaka miasa malalaka noho izany ireto mpitrandraka madinika ireto. Tsy vitan’izay fa mampiasa mpitandro filaminana ity Depiote voafidy tany Beloha Sur Tsiribihina ity, ka irahiny manakana ny fiara lehiben’ny hafa tsy hivoaka ny kariera, hoy ny fitarainan’ireo olona lasibatra. Takian’ireo olona manana taratasy ara-dalàna ireo ny hanalàna tsy misy fepetra an’ireo tsy manara-dalàna izay sady mananaraotra fahefana manao ramatahora amin’ny anaran’ny Filoham-pirenena satria hoe IRD. Efa nampahafantarin’izy ireo izao toe-javatra izao ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny ben’ny tanàna sy ny Sefo Fokontany ary ny Zandary sy ny Polisy any an-toerana indrindra ny lehiben’ny Distrika solotenam-panjakana. Manampy trotraa izany, tetezana maro tsy mahazaka fiara vaventy toy ny semi-remorque mihotra ny 30taonina ao anatin’ny RN35 miala ao Ivato Ambositra hatrany Ambatofinandrahana, kanefa Depiote mampiditra fiarabe 35 taonina. Izany hoe halaky ho simba ireo fotodrafitr’asa ireo noho ny fanararaotam-pahefana ataon’io Solombavahoaka io ihany. Tsy ferana ny tsindry sy ny mety ho fandrahonana mahazo ny mpitandro filaminana raha misava izany fiarabe izany, hoy ny fampitam-baovao. Izany rehetra no mahatonga an’ireto tompon’ny tany miantso ny fandraisana andraikitra manoloana ny hafitsok’ity depiote tondroin’izy ireo ho mpihetraketraka sy mpanararao-pahefana ity, ka milaza izy ireo fa tsy hanaiky intsony fa mitaky ny hanalàna an’ireo olon’ny Depiote R Jeannot ireo.
Tia Tanindrazana
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap