airtel

Actualités

08-janv-2024

Fenoarivo Atsimondrano

Ampijalian’ny delestazy ny mponina

Sample post image

Tsy vazivazy intsony fa tena hampijalian’ny delestazy ireo

08-janv-2024

mponina ao anatin’ny kaominina Fenoarivo distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Tapaka nanomboka tamin’ny 06 ora hariva ny jiro teny an-toerana ny sabotsy teo ary tsy niverina izany raha tsy omaly Alahady tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Haizin-kitroka no niainan’ny mponina ny alina iray manontolo noho izany. Ireo jiolahy sy mpanao hala-botry anefa etsy an-daniny tena manao ny hataony tokoa. Raha araka ny fanazavan’ireo mponina dia tsy vao sambany izy ireo no miaina tahaka izao. Saika isan’andro dia tapaka hatrany ny jiro vatsian’ny JIRAMA ary mahatratra ora roa izany raha kely. Raha vantany vao tara roa andro anefa ny fandoavana ny faktiora hoy hatrany ireo mponina dia mandrahona ny hanapaka sahady ny JIRAMA ary tena tsy mitsitsy mihitsy. Antso avo araka izany no hataon’ireo mponina amin’ireo tompon’andraikitry ny JIRAMA. Amin’izy ireo mantsy dia efa mateti-piavy loatra ny delestazy eny an-toerana na dia tsy miraraka akory aza ny ranon’orana eny amin’iny faritra iny.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap