airtel

Actualités

14-févr-2025

FETIN'NY MPIFANKATIA

Tsy tokony hisy mpianatra betsaka tsy hianatra anio

Sample post image

Hankalazaina anio Zoma 14 Febroary ny Fetin’ny mpifankatia na ny Saint Valentin.

14-févr-2025

Ilana fitandremanabe anefa izany indrindra fa ho an’ireo ankizy mbola mpianatra izay tsy ampy taona ny ankamaroany. Vao 12 taona mantsy amin’izao ny ankizy ao amin’ny kilasy fahaenina raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly iray dia efa manao sipa. Mampitandrina ireo mpiandraikitra ny sekoly rehetra noho izany ny zandarimariam-pirenena fa tsy tokony hitombo tsy toy ny mahazatra ny fanapahana fianarana anio Zoma 14 Febroary. Tokony arahi-maso ihany koa hoy izy ireo ny any an-kabone sy ambadiky ny sekoly any fa misy mifanorokoroka sy mifanafosafo sahady. Ho an’ny Ray aman-dReny indray dia manafatra fatratra izy ireo mba samy hahay hiaro ny zanany ny tsirairay. Tokony hojerena hoy izy " bokim-pifandraisan'ny Ray aman-dReny sy ny mpianatra ary ny sekoly alohan'ny hialany ao an-trano, sy ny andron'ny 15 Febroary sao misy soratra tsy nataon’ny tena Ray aman-dReny akory ao. Mampitandrina ireo mpampanofa tranon-dopy ihany koa izy ireno fa tsy azo hampidirana zaza tsy ampy taona ny trano ahofa, eny fa na dia ilay"mandalo" ora iray mpnja aza. Tanjon’ny zandarimariam-pirenena moa hiarovana ny zaza tsy ampy taona, ny ady amin’ny trangana fanolanana, ny ady amin'ny fanodinkodinana zaza tsy ampy taona ary ny ady amin’ny fanendahana sy herisetra isan-karazany.
Pati
Legende : Natao ho an’ny olona efa feno taona lahy sy vavy mifankatia ary ny mpivady ny fetin’ny Saint Valentin !
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap