Mikasika ireto farany manokana dia fantatra fa ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ireo zaza tsy ampy taona miditra any amin’ny efitrano fandraisam-bahiny na « chambre » ny mpitandro ny filaminana. Mbola misy ihany mantsy ireo tompon’andraikitra eny anivon’ireny ivon-toerana sasantsasany ireny no manao izany ka tolorana vola kely dia tsy mitaky kara-panondrom-pirenena na izany aza no tokony ho izy. Melohin’ny lalàna ny fiarahana, sy indrindra fa ny fanaovana firaisana ara-nofo amina zaza tsy ampy taona .Ankoatra izay dia arahi-maso akaiky ihany koa ireo toeram-pandihizana izay mbola mahasahy mandray ireo zaza tsy ampy taona ihany koa indrindra fa any amin’ireo faritra ivelan’ny renivohitra. Hisy moa ny sazy hohampiharina amin’ireo izay tratra amin’ity anio ity, hetsika ezahina hotohizana hatrany ho fiarovana ny zaza Malagasy. Mikasika ny fividianana fanomezana manokana ho an’ny olon-tiana dia fantatra fa vitsiana ireo nahavita nanao izany noho ny hasarotan’ny fiainana. Efa nahena avokoa anefa ny vidin’ireo kojakoja ilaina mifandraika amin’izany saingy mbola tsy misy mpividy ihany.
(Sary fanehoana)
Nangonin’i Pati
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa