portant refonte de la loi n°94-036 sur la propriété littéraire et artistique» izany hoe: momba ny zon’ny mpamorona sy ny artista, izay natolotry ny Solombavambahoaka Rahasimanana Paul Bert na Rossy. Depiote miisa 54 no tonga nivory sy nandany izany. Antony maromaro no nahatonga izao tolo-dalàna izao araka ny fanazavana nomen’ny Solombavambahoaka Rahasimanana Paul Bert. Izao dia vokatry ny fifampidinihana teo amin’ireo mpisehatra isan-karazany eo amin’ny zava-kanto. Nomarihiny fa ny lalàna manan-kery teo aloha mahakasika ny zon’ny mpamorona dia hita fa nilaozan’ny toetr’andro ka tsy nifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia izay misy amin’izao fotoana izao. Natao ihany koa izao ho famahana ny olana misy matetika eo amin’ny fitondram-panjakàna sy ny OMDA na ny Ofisim-pirenena momba ny zon’ny mpamorona. Nomarihina ihany koa fa ny jamba sy ny sembana izay tsy voaresaka ao amin’ilay lalàna teo aloha dia nampidirina ao amin’ity tolo-dalàna vaovao ity. Nambara fa namaha ny olan’ny mpanakanto sy manala ny OMDA tsy ho eo ambany vahoan’ny Minisitera io. Ny artista sy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy izay tsiahivina fa tena nifanao sakay sy maso, ka nitakian’ny artista ny hialan’izy ireo ambany fahefan’ny artista. Nanaovan’ny depiote tambabe ihany koa ireo iraky ny Minisiteran’ny serasera notarihin’ny Sekretera Jeneraly Ato Johary Ralaimazava tonga tetsy Tsimbazaza omaly. “Firaisan-kiana tsy mbola nisy, tao daholo na TIM na IRD, na GPR, na MMM,… Tsy hihemotra amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny zava-kanto”, hoy ny depiote Rossy. Nitondra hafatra ho an’ny Filoham-pirenena ihany koa hoe: “Herintaona izahay tsy nandray zon’ny mpamorona, mba tendreo ny Talenay, raha misy olona mampitahotra anao tsy hanao izany dia teneno anay hanaovanay azy”.
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa