Niakatra be mantsy ny rano, nahatratra 2,68 m ny haavon’i Sisaony teo Ampitatafika omaly alakamisy 26 janoary 2023, rahatoa ka 2,50 m no fetra manomboka hanambarana fa misy ny loza manambana, araka ny mari-pandrefesan’ny APIPA (Autorité pour la protection contre les inondations de la plaine d’Antananarivo). Novinavinaina hidina ihany anefa io tao anatin’ny 12 ora, saingy niaraha-nahita ny mbola fitohizan’ny rotsak’oranaHo an’Ikopa kosa, teo amin’ny 1,17m ny haavony teo Anosizato, 2,37m teny Ambohimanambola, ary 3,86m kosa teny Bevomanga. Rehefa tonga eo amin’ny 3,00m ny haavony eo Anosizato, 3,50m ny eny Ambohimanambola, ary 4,00m ny eny Bevomanga no tafiditra ao amin’ny loza manambana ny reniranon’Ikopa. Noho ny fiakaran’i Sisaony, kaominina 18 no voakasika mivantana ary nahazo fampitandremana : Tsiafahy, Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely, Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambahavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe.
FAMINDRANA OLONA FAOBE
Mifandraika amin’io, nisy ny fivoriana maika hoan’Analamanga tety amin’ny BNGRC Antanimora omaly tolakandro ho fiomanana ny amin’ny fandrindrana ny famindrana olona faobe eny amin’ny toerana rehetra izay hita fa iva amin’ny faritra andalovan’i Sisaony dia ny eny amin’ny Distrikan’ Atsimondrano sy ny manodidina izany. Fivoriana izany notarihan’ny Tale Jeneraly sy Tale Jeneraly lefitrin'ny BNGRC ary natrehan’ireo tompon’andraikim-panjakana isan-sokajiny. Noresahina sy notapahany tao anatin’izany ny pitsopitsony rehetra ara-teknika izay ilaina mahakasika ny famindrana faobe (ny toerana hifindrana) dia ireo filàna fototra (rano , toeram-pidiovana sy fivoahana ; latrine,…) , ny fiambenana ny teorana hialana sy toerana hifindrana sy ireo fitaovana maro isan-karazany (fiara, mégaphone…).
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa