airtel

Actualités

04-avril-2022

Actualités

Fianarantsoa Hiatrika fitsarana amin’ny 22 aprily ilay mpanolan-jaza

Sample post image

Hohenoina ampihibemaso ao amin’ny Fitsarana ao Fianarantsoa amin'ny 22 aprily ho avy izao ilay rangahy 38 taona nanolana zazavavy kely tsy ampy taona roa izay samy mianatra ao amin’ny EPP Mahazengy Fianarantsoa.

04-avril-2022

 12 taona ilay zokiny izay antsoina hoe : Nadia raha vao 4 taona sy tapany kosa ilay zandriny. Nordina no anaran’ity farany ary fantatra fa nivoaka avy tamina fianakaviana sahirana izy ireo. Ny nampalahelo dia nohararaotin’io lehilahy io izy mirahavavy kely nandritra ny fotoana nandehanan’ireo Ray aman-dReniny nivarotra ka ilay rahavavin-dReniny no nanara-maso azy. Tao anatin’ny herinandro monja no nitrangan’izany ka ilay zokiny naolany tao aloha sy taoriana. Niezaka nanafina izany ilay zokiny noho ny tahony an-dReniny. Ilay zandriny 4 taona kosa anefa isaky ny mipipy dia mahatsiaro mangirifiry hatrany no sady nisy fofona nivoaka ka tsy maintsy nosavain-dReniny . Teo vao gaga ity farany fa simba tanteraka izy mirahavavy kely. Niakatra fitsarana tamin’ny Alakamisy 31 Martsa lasa teo ny raharaha ka efa nampidirina am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nahavanon-doza. Na izany aza dia matahotra mafy ny Ray aman-dRenin’izy mirahavavy kely ireto. Sady mandrahona milaza fa mahalala olona ambony hono mantsy ny fianakavian’ity lehilahy mpanolana ity no mbola manao vava tsy ambina ihany koa. Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky ity raharaha ity izy ireo.
Pati
Legende : Ireto ilay zaza voaolana (sary nindramina)

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap