Zazalahikely vao 4 taona monja no maty nianjeran’ny entana avy eny ambony fiara. Raha ny fitantaran'ny rain'ity zaza ity dia avy any Ambalavao izy sy ny vadiny ary io zanany namoy ny ainy io, toerana fiavian’izy ireo. Nikasa hamonjy fiara ho any Nosy Varika toerana filany voninahitra izy ireo taorian’izany kinanjo sendra ny patsa iray tsy omby vava. Raha mbola variana ny nitady fiara ilay raim-pianakaviana no nianjera tampoka tamin’ilay zanany tsy manan-tsiny ny entana ka voatsindry tao ity farany. Voa teo amin'ny lohany ilay zaza ka rehefa nentina tao amin'ny Hopitaly Tambohobe dia tsy tana intsony ny ainy. Raha ny vaovao avy amin'ny mpitandro ny filaminana moa dia mbola tadiavina ilay olona nihavian'ny loza. Ny tranga tahaka izao no ilana fitandremana hatrany indrindra fa rehefa mitondra ankizy. Mety tafaporitsaka tampoka mantsy izy ireny indraindray ka tsara hatao andry maso.
Nangonin’i Pati
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto