airtel

Actualités

08-févr-2024

Actualités

Fiaraha-miasa ara-tafika Mandondom-baravarana ny Iranianina

Sample post image

Nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin,

08-févr-2024

Minisitry ny Foloalindahy, Andriamatoa Hassan ALIBAKHSI, Ambasadaoron'ny Repoblika Islamikan’i Iràna, miasa sy monina eto Madagasikara, omaly alarobia faha 7 febroary 2024, araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Anton-diany tamin’izany ny nitondra teny fiarahabana ny Minisitra noho ny fanendrena azy amin’izao andraikitra goavana izao. Noresahana nandritra ny fihaonana ihany koa ny fahavononan’ny Firenena Iranianina hanokatra fiaraha-miasa ara-tafika amin'i Madagasikara; ka hojerena amin’izany ireo sehatra rehetra azo hifanomezan-tanana, mba hampisy fifandraisana bebe kokoa amin'ny tany roa tonta, hoy ny fampitam-baovao. Mandondom-baravarana izany ny Iranianina. Stratejika be moa ny resaka tafika, fa ny tsikaritra dia manamafy ny fifamatorana amin’i Madagasikara amin’io lafiny io ny Firenen-dehibe, ka lohalaharana ny Frantsay, manamafy ny azy ny Amerikanina, tsy miala lavitra ny sinoa,… Ny 30 janoary, nihaona tamin’ny Minisitry ny Fiarovana ihany koa ny Ambasadaoron’ny Firenena Amerikana miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Claire Pierangelo. Fiarahabana sy firarintsoa noho ny fisahanana andraikitra vaovao no nantefainy tamin’ny Minisitra nandritra izany fotoana izany. Niara-dia taminy tamin’io tompon’andraikitry ny Fiarovana eo anivon’ny Masoivohon’izy ireo eto amintsika “Commander” Jeffrey Schwamb ka nohamafisina fa mpiara-miombon'antoka ara-miaramila efa hatrizay ny Amerikanina. Maro ny sehatra nambara fa iarahan'ny roa tonta miasa, toy ireo fanofanana miaramila malagasy ho an'ny Tafika telo, an-tanety sy an'habakabaka, ary an-dranomasina; ka isan-taona dia misy ny fanazaran-tena iombonan’ny roa tonta. Manampy ny Tafika malagasy amin’ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa miaramila izy ireo, isan’ireo efa nisitraka izany Tafika an-dranomasina any Antsiranana. Eo koa ny fampianarana teny anglisy maimaim-poana ao amin’ny ivoteram-pampianarana izany eto amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy. Vao ny 30 janoary teo ihany koa no nitsidika ny Minisitra ny tompon’andraikitry ny fiarovana eo anivon’ny Masoivoho frantsay miasa sy monina eto amintsika, ny Kôlônely Henry-Sébastien Dupety. Miara-miasa amin’ny Tafika malagasy amin’ny fanofanana ara-teknika sy ara-miaramila atolotra ho an’ny Tafika an-tanety, sy ny Tafika an’habakabaka ary ny Tafika an-dranomasina ny Frantsay; ary milaza manampy sy manohana amin’ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa miaramila,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap