airtel

Actualités

23-déc-2024

Fiarovana ireo valanjavaboahary

Nahazoana 9,42 tapitrisa dolara avy amin’ny AFDB

Sample post image

Nankatoavin'ny Filankevi-pitantanan’ny AFDB na Tahiry Afrikana momba ny Fampandrosoana,

23-déc-2024

izay birao manokana ao amin'ny Vondron’ny BAD na Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana, ny fanomezana vola 9,42 tapitrisa dolara amerikana ho an'i Madagasikara mba hanatanterahana ny Tetikasa ho an'ny faharetan'ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fiarovana ny harena voajanahary ao amin’ireo valanjavaboahary nasionaly. Ny fanomezana dia avy amin'ny "Guichet d’action climatique", rafitra vaovao ao amin'ny Fandaharan'asa izay noforonina tamin'ny « 16e cycle de reconstitution de ses ressources », ho fanampiana amin'ny famenoana ny fahabangana lehibe amin'ny famatsiam-bola ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana aty Afrika. Ny tetikasa dia mikendry ny hanamafy ny faharetan'ny ara-pambolena ao amin'ny rafitra fiarovana ara-pambolena, ny fikajiana sy ny fampiasana maharitra ny loharanon-karena voajanahary sy ny tontolo iainana mba hampitomboana ny faharetan'i Madagasikara amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro. Izy io dia manomana ny fanatsarana ny fahaiza-manao manohitra ny fiovaovan'ny toetr'andro ho an'ny vondrom-piarahamonina mivelona amin'ny faritra manodidina ny valanjavaboahary, fanamboarana sy fanarenana ny lalam-pidirana amin'ny alalan'ny fanomezana fidirana amin'ny faritra amin'ny vanim-potoana rehetra sy ny fotodrafitrasa fiarovana maharitra, ny fanomezana rano madio amin'ny alalan'ny fanamboarana lavaka fisotro sy fanaovana tohodrano mandinika, ary ny fananganana sekoly fanabeazana fototra ho an'ny vahoaka sy ivon-toerana fahasalamana fototra dimy ho an'ny fiarahamonina eo an-toerana. Hatreto, mbola tsy vitantsika amin’ny herintsika izany ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-boaharintsika fa mbola hiandrandrana hatrany famatsiam-bola vahiny, ary indraindray aza atao fitaovana fitadiavam-bola, fa ny fahapotehana mitohy ihany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap