Ny fampielezana ny finoana sy ny fanitarana ny fanjakan'Andriamanitra mitohy, ny fiarovana ny tontolo iainana koa sahanin'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM). Manana mpino maherin’ny 4 tapitrisa ny FLM. Mpiara-miombon’antoka lehibe ho an'ny Minisiteran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy ny FLM noho ny fananany io tambazotra lehibe io. Efa nisy ny fiaraha-miasa teo amin'ny roa tonta ary fantatra izao fa ho avaozina izany ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra. Maro ireo sehatra hiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta toy ny fampiroboroboana ny "éco-théologie" eo anivon’ny Synoda sy ny Fiangonana, mba hampidirana bebe kokoa ny fanabeazana sy ny hafatra momba ny tontolo iainana ao anatin’ny toriteny sy ny fampianarana. Misy koa ny fampandrosoana ny lalam-pihariana volotsangana sy "fibre" miaraka amin’ny fametrahana sekoly fanofanana amin’ny asa maitso, ho fanomezana fahaiza-manao sy fahafahana ara-toekarena ho an’ny tanora sy ny mponina. Fanoloran'ny FLM tany mirefy 1700ha ho fanohanana ny fandaharan'asa momba ny fambolen-kazo mandritra ny dimy taona, ka hanamafisana ny ezaka amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny ala sy ny tontolo iainana. Fampidirana ny lafiny tontolo iainana ao anatin'ny fakan-kevitra nasionaly izay eo ambany fitarihan’ny FFKM.
Jean D.
Fihaonan'ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy Andriatsihala Nolave Luck Aristide sy ny filohan'ny FLM Pastora Dr. Rakotozafy Denis