airtel

Actualités

12-janv-2024

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA

Navadika ho kifafa ny tavoahangy plastika ao Ampitatafika

Sample post image

Tsy sangisangy intsony fa efa miroso tanteraka amin’ny fiarovana ny

12-janv-2024

tontolo iainana ny ao amin’ny kaominina Ampitatafika ao, distrikan’Atsimondrano. Hatramin’ny taona 2023 no mankaty mantsy dia fantatra fa efa navadiky ny kaominina ho kifafa avokoa ireo tavoahangy plastika miparitaka eny rehetra eny. Tsy maintsy mahavita kifafa vita amin’ny tavoahangy plastika iray isam-bolana isaky ny mpiasa noho izany ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka hoy ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina. Mbola maodely tsara nampitainy tamin’ireo dokera 27 lahy ao Ampitatafika izany omaly. Nozaraina kifafa vita amin’ny tavoahangy plastika ihany koa ireto farany mba hanadiovany ny faritra misy azy. Niampy lela-vola 10.000 Ar isanisany izany noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2024. Nanatanteraka ny fiarahabana ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina izy ireo omaly no sady nanamafy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.
Pati
Legende : Nozaraina kifafa vita amin’ny tavoahangy plastika tahaka izao ireo dokera !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap