ary ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) tamin’ny alalan’ny solontenany Adam Amoumoun ankilany. Manodidina ny 22 tapitrisa dolara ny teti-bidin’ny fiaraha-miasa natao sonia. Tafiditra ao anatin’io ny famatsiam-bola fanampiny mitentina 19,25 tapitrisa dolara hanampiana an’I Madagasikara amin’ny fiantraikan’ny loza ara-toetr’andro (haintany, rivodoza,…). Famatsiam-bola efa nankatoavina ny 05 desambra 2022 mitentina 13 tapitrisa dolara ny iray miompana amin’ny tetikasa Adrifi (Programme de financement des risques de catastrophes en Afrique) izany hoe : mifantoka amin’ny famatsiana ny tetikasa momba ny fiatrehana ny loza voajanahary. Mitsinjara toy izao: 7,11 tapitrisa dolara miendrika fampindramam-bola ary 5,89 dolara kosa fanomezana. 1,54 tapitrisa kosa ny anjara birikin’ny Fanjakana ho an’ny fanatanterahana io tetikasa io. Natao hiatrehana sy hamaliana ny fiantraikan’ny loza boalajanahary sy fahafaha-miaina ao anatin’ny fiovaovan’ny toetr’andro io izany amin’ny ankampobeny. Atao ihany ahafahana manatsara ny filaminana ara-batana sy ara-tsakafo ho an’ireo olona marefo, mba hanamafisana ny ara-bolan’ny Fanjakana Malagasy eo anatrehan’ny zava-misy. Ny faharoa kosa dia ao anatin’ilay hoe : PMP VREAU (Projet de mobilisation, de protection, de valorisation de la ressource en eau et de renforcement de la résilience au changement climatique), hiompana betsaka amin’ny. Hanetsehana ny fahafaha-manatsara ny tontolo sy ny mponina manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro, ka amin’ny alalan’ny fanetsehana, fiarovana, ary ny fanomzan-danja ny rano io. 3,49 tapitrisa dolara ny vola hoentina mamatsy ity tetikasa faharoa ity. Irariana mba tena ho tsara tantana sy hifandraika amin’ny programan’asa nofaritana, fa tsy sanatria ho tari-drano ankilahila ka very mankany am-paosin’ny lava tànana ny ankamaroany.
Toky R
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny
Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,
Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.
Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.
Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto