airtel

Actualités

24-oct-2022

Actualités

Fibodoana tany ao Toamasina II Maro ireo mponina mitaintaina

Sample post image

Raharaha isany maha be resaka ny maro sy matetika isiana fifanolanana miafara amin’ny fiakarana fitsarana ao Toamasina ity resaka ady tany ao Ambalamanasy, kaominin’i Toamasina II ity,

24-oct-2022

hoy ny fampitam-baovao voaray any an-toerana. Lehilahy iray no milaza fa tompon’ny tany sy mpandova izany tamin’ny ray aman-dreniny ka afaka mivarotra amin’izay te hividy ny tany, hoy ny fanazavana. Efa maro ireo tafaroboka nividy ny tany saingy tsy misy antotan-taratasy mazava izany noho ny tany mbola tanim-panjakana. Amin’izao fotoana izao anefa dia efa miha maro ireo nahazo ny tany no miroso ho amin’ny fananana izany ara-dalana saingy misy kosa ireo izay tsy mbola nahavita izany noho ny fikarakarana samy hafa ka noho io fahatarana eo amin’ny fikarakarana ny atontan-taratasy io indrindra no araraotin’ity milaza fa tompon’ny tany ity indray hamarotana izany amin’olon-kafa . Efa maro ireo lasibatra tamin’ity tranga ity ka rehefa mitondra izany eny anivon’ny fitsarana dia miala maina noho ny fahafantaran’ity farany lalana eo anivon’ny fitsarana. Tamin’ity herinandro ity dia nisy indray io tranga io satria dia tonga tao an-toerana ny tena tompon’ny tany nanao asa fanadiovana sy nikarakara ireo voly nolazain’ity farany fa mpangalatra sy mpibodo tanin’olona ary manimba ny famboleny ka ho toriany eny anivon’ny fitsarana, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza ny lefitry ny sefo fokontany tao an-toerana fa tany manan-tompo ity tany ity ka ireto nanao ny asa fanadiovana sy nikarakara ny voly nolazaina fa mpangalatra sy mibodo ireto no tena tompony ary ananan’izy ireo taratasy mazava efa hatramin’ny taona 1998 izany. Manao antso avo amin’ny fitondrana mahefa mba hijery ny zava-misy toy izao satria dia maro amin’ireo mponina aty an-toerana no mitaintaina noho ity fibodoana tanin’olona ataon’ity milaza azy ho tompony ity, hoy ireto mahatsiaro tena ho isan’ny lasibatra ireto.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap