airtel

Actualités

25-mars-2026

Fidirana antsokosoko,

orinasa mampiahiahy

Sample post image

Teratany vahiny samihafa 83 isa nosamborina

25-mars-2026

Nahazo tatitra momba ny fisian’ny orinasa iray mampiasa teratany vahiny am-polony maro ao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray eny Ambatomirahavavy ny Service Central de la Surveillance du Territoire sampandraharaha manara-maso ny fivezivezen’ny vahiny eto Madagasikara. Voalaza fa mampiahiahy ny fijoroan’io orinasa io sy ny maha ara-dalàna azy, ka nitarika ny fidinana ifotony nataon’ny Polisimpirenena ny 19 sy 20 Martsa 2026. Teratany vahiny miisa 83 avy amin’ny firenena maro samihafa no voasambotra, ka sivy amin’izy ireo dia vehivavy. Nandritra ny fisavana, nahitàna solosaina 170 tao amin’ilay toerana, ary hita fa tsy nahafeno fepetra ara-dalàna momba ny taratasy fahazoan-dalana hipetraka sy hiasa eto Madagasikara ireo vahiny voasambotra, araka ny tatitry ny manampahefana. Nogiazana avokoa ny fitaovana rehetra ary notazonina ireo olona hanaovana famotorana. Niara-niasa akaiky tamin’ity hetsika ity ny Polisin’ny Direction du Contrôle des Migrations na ny DCM Anosy sy ny Birao Foiben’ny INTERPOL eto Madagasikara. Tafiditra amin’ny ady amin'ny heloka bevava iraisam-pirenena (Crime Transnational Organisé) ny hetsika. Manamafy ny Polisimpirenena fa tsy mandefitra amin’ny ady amin’ny heloka bevava iraisam-pirenena, mba tsy hahatonga an’i Madagasikara ho fialokalofan’ny olon-dratsy. Manentana ireo teratany vahiny miditra eto Madagasikara mba hanaraka ny lalàna mifehy ny fifindra-monina sy hanaja ny fitsipika mifehy ny asa sy ny orinasa ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoaka. Manohana tanteraka ny fampiasam-bola vahiny ny politika ara-piarovana, saingy manamafy fa tsy maintsy atao ao anatin’ny fanajana ny lalàna mifehy ny firenena izany.
Nangonin'i Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap