airtel

Actualités

28-nov-2025

Fifanarahana mambotry ny Jirama

Tsy maintsy hisy « audit », hanapa-tenda ny Fanjakana…

Sample post image

Nafampana ny tao amin’ny Antenimierampirenena

28-nov-2025

omaly, izay niantsoan’ny depiote ny Minisitry ny angovo Ralitera Ny Ando Jurice sy ny ekipany, niaraka tamin’ireo mpitantana orinasa goavana mpiara-miombon’antoka amin’ny resaka angovo toy ny avy amin’ny Vondrona Filatex, Axian, Tozzi Green, NEA, Henri Fraise, Jovenna, Jirama,… izay nasaina namaly ireo fanontaniana miantefa aminy. Namaly ny fanontanian’ireo depiote sy nanazava ny zava-misy sy ny asa hatao hamahana olana ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, ka isan’ireny ny an’i Milavonjy Philobert Filoha lefitra faha-7 avy amin’ny fanoherana izay nilaza fa ianareo minisitry ny « sabotazy », ka nametra-panontaniana ity farany hoe : ianareo moa teo nanomboka 2019 hatramin’ny 2025 inona no vitanareo ? Ny anton’izao olona izao, dia betsaka ny tsy fandraisana fanapahan-kevitra toy ny tetikasa Sahofika sy Volobe, fa izahay 1 volana sy roa andro efa manomboka an’izany sahady fa moa tsy ianareo ve no nanao ny sabotazy. Tamin’ny andron’ny teo aloha 30 miliara Ar isam-bolana ny fatiantoka fa izahay efa 9 miliara Ar nanao ekonomiana 9 miliara Ar. Ny tambajotra efa tao ny famatsiam-bola amin’ny fanavaozana fa tsy natao. Ny PIP (Programme d’Investissement Public) an’ny Minisiteran’ny angovo ny taona 585 miliara Ar kanefa ny « taux d’exécution budgétaire » 0% ka ny Minisitera amin’izao no manetsika azy amin’ny fividianana milina, fampiasana ny « panneaux solaires »,… hoy hatrany ny Minisitry ny angovo, izay naneho fa tsy midika ho manilika andraikitra, fa kosa miezaka mitondra vahaolana.
TSY MAINTSY HATAO NY « AUDIT »
Namafisin’ity Minisitra ity ny hanaovana fitsirihana lalina na « audit » samihafa mikasika ireo fifanarahana,fitantanana,… Raha simba ve ny milina dia tokony haverina ? Raha zavatra efa nandoavantsika vola kanefa tsy nositrahana dia tokony haverina, hoy ny Minisitra namaly ireo depiote. Misy olana ara-pitantanana ao amin’ny Jirama, tsy mino aho fa ny Tale Jeneraly irery no afaka mamotika ny Jirama, fa ny « audit » no hamoaka an’izany. Tsy miaro na mandroaka avy hatrany ny Tale Jeneralin’ny Jirama ny Fanjakana, fa miandry ny valin’ny « audit ». Hanaovana « audit » ireo mampanofa groupes. Misy endriny maro ny « audit » : avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, misy ny cabinet manokana, avy amin’ny IGE, avy ao anatiny,… Misy ihany koa ny « contrat-fournisseur » izay tsy maintsy hojerena. Momba ny fanadihadiana parlemantera, isan’ny nandrisika sy naneho ny Minisitry ny angovo fa tena andrasana izany. Nahitsy noho izany ny Minisitra nilaza fa hotapahana ny fifanarahana amin’ireo mpandraharaha mamatsy ny Jirama na « fournisseurs » rehefa hita fa mambotry ny Firenena. Hisy ny fijerena ireo fifanarahana, ary hametraka fepetra tsy azo hiodivirana mikasika ny fifanarahana mikasika tsenam-panjakana ny Fanjakana. Hisy fanapahan-kevitra hentitra amin’ny fanolorana tsenan’asa satria betsaka no tsy mandeha akory ny asa anatin’ny taona maro.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap