airtel

Actualités

23-août-2022

Actualités

Fifanarahana tsy mazava momba ny jono “Hatramin’ny 1 miliara Euro no very”

Sample post image

Herinandro vitsy izay dia nisy indray ny fifampidinihana teo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny vondrona eoropeanina, hoy ny antoko politika Otrikafo. Ireo moa izany,

23-août-2022

hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Elia Rabevahiny, ilay lazaina hoe mpamatsy anatiny an’I Madagasikara. Manana ny fomba fijeriny manokana mikasika ireo lazaintsika fa mpamatsy vola mahazatra ireo moa ny Otrikafo. Adihevitra goavana tao ny mikasika ny jono na “accord de pêche”. Ohatran’ny manamaivana izany isika nefa nosy. Ny ankamaroan’ireo firenena maka ny hazandranomasintsika dia mpikambana ao amin’ny vondrona eoropeanina toy ny portogey sy frantsay ary espaniolina. Misy fatiantoka naterak’izay tany aloha rehetra tany ka hatramin’izao. Tsy mbola nisy fitondram-panjakana nahavita nametraka fepetra mazava hoe tsy ilay vola no zava-dehibe ao amin’ilay fifanarahana fa hoe ahoana no hahafahantsika manara-maso ireo sambo maka ny hazandranomasintsika eto? Mila ampahafantarina hoe misy vola tokony hiditra amin’ny kitapom-panjakana izay miodidina ny 800 tapitrisa Euro hatramin’ny 1 miliara Euro very vokatry ny tsy fahasahian’ny fitondram-panjakana malagasy mametraka izay fifanarahana mazava tsara izay. Raha mipetraka mazava tsara anefa ny fifanarahana dia mety mbola hihoatra izany ny vola hiditra ao anaty kitapom-bolam-panjakantsika. Tokony fepetra takiantsika voalohany ny hoe tsy maintsy misy tantsambo malagasy miasa anatin’ireny sambo mifanaraka amintsika ireny. Tsy tokony ekena intsony ny hoe sady fitehirana hazandrano ireo sambo no sady karazana indostria kely hamadihany azy ho ambihifotsy ao. Iny indray avy eo no averiny eto dia vidiantsika lafo. Tokony eto amintsika ihany no haodina ireo hazandranomasina azon-drizareo. Azo atao tsara amin’izay ny mametraka any Antsiranana hatrany Taolagnaro orinasa manodina ny hazandranontsika. Famoronana asa miankina amin’ny finiavana politikan’ny mpitondra izany. Mahagaga ihany ny maheno ny minisitry ny jono sahy miteny hoe fananana iombonana ny hazandranomasina ao amin’ny fari-dranomasintsika. Na ny “Thon” na hazandrano hafa no tiany lazaina dia tsy mitombona foana izany satria toy ny milaza hoe ny hazandranon’olona any amin’ny faridranomasiny koa izany azontsika alaina fotsiny amin’izao, hoy hatrany ny antoko politika Otrikafo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap