airtel

Actualités

18-févr-2022

Actualités

Fifandraisan-davitra Nankasitraka ireo mpiara-miasa aminy ny Airtel

Sample post image

Miroborobo hatrany ny resaka fifandraisana eto amintsika. Zary lasa fiainan’ny olona mihitsy ny fampiasana finday na hiasana sy hiantsoana fianakaviana izany na koa hifandefasana vola.

18-févr-2022

Ho an’ny orinasam-pifandraisana Airtel manokana tarihin’ny tale jeneraliny Eddy Kapuku dia fantatra fa efa an-tapitrisany ireo mpanjifany manerana ny Nosy. Ezahin’izy ireo ny hampitombo izany mba hanamaivanana ny fiainana andavanandron’ny mponina, antony hiarahany miasa akaiky amin’ireo mpanjifany sy mpiara-miombont’antoka maro samihafa. Nankasitraka ireto farany ny Airtel andro vitsy lasa izay. Nisy ilay lalao challenge Mandresy izay nokarakarainy ka nisy ny fandefana someso mba hahazoana loka goavana ankoatra ireo nandray anjara tamin’ilay fifaninana mivarotra puce …ho an’ireo misehatra amin’izany. Ho an’ireo nahavita sy nahatratra ny ezaka notakiana taminy tao anatin’ny 3 volana izy io ka nahafahany nandray anjara tamin’ilay ankitsapaka izay hahafahana mandeha mitsangatsangana maimaim-poana any Dubai sy Nosy-Be. Tanjona tao anatin’ny hetsika ny mba hahafahana manome fahafaham-po hatrany ny mpanjifa.
Pati
Legende : Nandritra ny fisarihana ny anaran’ ireo tsara vintana sy nanolorana ny loka
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap