Marihina fa io ilay tany hanaovana tetikasa tohanan’ny Filoham-pirenena, ka nandehanany tany ny 01 oktobra. Tany nisoratra tamin’ny Société d’exploitation Agricole et Forestière Canal du Nord, saingy efa tsy misy intsony io orinasa io. Atoa Be François izay nanamaintimolaly ny tany no voalaza fa nahazo ny tany tamin’ny alalan’ny “Prescription accusative” ny 2008, raha ny fanamafisan’ny mpisolovava Eric Rafidison omaly, ary nomarihiny fa tsy misy ifandraisany velively amin’ilay orinasa nisoratra taminy teo aloha akory ilay ONG Saint Gabriel. Taorian’ny didin’ny cour d’appel nanafoana ilay “Prescription accusative”, dia nahazo rariny tamin’ny “Cour de cassation” Atoa BE François, io ilay hoe : “casse et annule sans renvoi” ka niverina ho manan-kery izany ilay didy tany aloha, hoy izy. Nangataka “Pourvoi dans l’intéret de la loi” tany amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny ONG Saint Gabriel, saingy in’efatra nolavina, raha ny fanazavana. Nangataka”interpretation” tamin’ny “Cour de cassation”, saingy voalaza fa nivadika tany amin’ny fitsarana ady heloka ny ady madio, izay tsy ara-dalàna ary tsy fahita 60 taona, hoy ny mpisolovava. Ankehitriny, naverina tany alohan’ny fampidirana ny ady tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany indray ny raharaha, izany hoe: foana ny zavatra rehetra. Efa nisy anefa ny famarotana ny ampahan’ny tany, izay nisy “mutation” ara-dalàna ka sokajiana ho foana avokoa ve ireny? hoy ny mpisolovava Eric Rafidison. “Manao antso amin’ny mpitarika ny fiangonana katolika, fa tsy ara-dalàna ny zavatra ataonareo amin’ny anaran’ny Fiangonana”, hoy izy. Mitaraina ny tompon’ny tany ankehitriny satria mbola tsy nihinana na lodisia iray aza, saingy asaina hohanin’ny olona ny lodisia namboleny, hoy izy, ka nilazany fa mampalahelo raha ny fiangonana no hamporisika ny olona tsy hanara-dalàna. Nanamarika ity mpisolovava ity fa efa nisy fampihavanana nataon’ny Fiangonana FJKM tamin’Atoa Be François sy ireo mpitarika ny fiangonana Katolika. “Raha ny fahitako azy dia arirariran’ilay mpitarika fiangonana na ny mpampihavana na Atoa Be François, ka tsy tanteraka mihitsy ilay fampihavanana. Mifanindran-dàlana amin’izany anefa dia tohizan’izy ireo ny fanimbana ny tanin’olona: fananganganana trano, famotehana ny voankazo…”, hoy ny Mpisolovava Eric Rafidison. Miantso ny Mpitarika ny Fiangonana tsy hanafangaro ny fiangonana sy ny politika ity mpisolovava ity satria sady manimba ilay finoana no manimba ny firenena, hoy izy. “Amin’izao fotoana izao, efa misy taratasy halefa any amin’ny Nonce Apostolique, fitarainana amin’io zavatra tsy mety ataon’ny Mpitondra Fiangonana Katolika io, ary ho hita eo fa misy fa fanaovana “doléance” ihany koa any Rome ka hatao izay zavatra izay”, hoy hatrany ny Mpisolovava Eric Rafidison.
Toky R
Légende: Ny mpisolovava Eric Rafidison nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety omaly
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny