Any amin’ny sekoly miaramila frantsay no hiofana ny mpiadana raha tafiakatra soamantsara amin’ireo masontsivana raha araka ny loharanom-baovao azo. Tsy maintsy latsaky ny 23 taona kosa anefa ary manana ny mari-pahaizana Bakalorea amin’ny sokajy rehetra. Ankoatra ny curriculum vitae nao sy scan relevé de note tamin’ny fanadinana Bakalorea farany teo dia ilaina ihany koa ilay scan-n’ny diplaoman’ny fanadinana Bacc (facultatif) ary alefa any amin’ny adiresy mailaka drhsfs@gmail.com. Hatao ny 23 sy 24 janoary avy izao hoan’ny eto Antananarivo ny fihaonana amin’ireo mpiadina. Hitohy any Toamasina izany ny datin’ny 25 sy ny 26 janoary ho avy izao. Ao Fianarantsoa ny 27 sy ny 28 janoary, ao Mahajanga ny 30 sy ny 31 janoary raha any Antsiranana no hamaranana izany ny datin’ny 02 sy ny 03 febroary.
Pat
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa