Nafana ny toe-draharaha tao amin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) tetsy amin’ny foibeny tetsy Tsimbazaza omaly. Mihenjan-droa ny tady satria tsy mety miala Atoa Rajaonarivelo Brizolas Talen’ny fampandehan-draharaha sy ny fitantanam-bola na DAF, izay efa nesorina, raha ny fanambarana nataon’ny Mpiasan’ny ACM sy ny Tale Jeneraly Alban Rakotoarisoa. Manda ny didy navoakan’ny Filankevi-panjakana ity DAF, hoy ny eo anivon’ny ACM. Taorian’ny nandraisan’ny Tale Jeneraly ny asany, maromaro ireo toe-javatra sy olona voalaza fa manakorontana. Ny ankamaroan’ireo Tale anefa dia nanaiky nanateraka ny famindrana andraikitra tahaka ny fahita rehefa misy fiovam-pitantana, fa ny DAF nandà. Nitory tany amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny Fanjakana sy ny filankevi-panjakana izy mba hampiatoana ny fanesorana azy, fa nolavin’ireo fitsarana mahefa ireo avokoa, hoy ny fanazavana. Milaza ny ACM fa araka ny loharanom-bavao ao anatiny, ny zava-misy ankehitriny dia mety ho vokatry ny fanentanana fanohintohinana, fanaratsiana manokana, ary fiparitahan’ireo dosie saropady tsy azo aparitaka, toy ny fanangonan-tsonia talohan’ny fivorian’ny Filankevi-pitantanana ny 10 febroary, taratasy niniana naparitaka ny 10 martsa, ary omaly dia niantso mpanao gazety tao an-tokontanin’ny ACM Tsimbazaza. Taorian’ny didy nataon’ny Fitsarana, dia tsy tokony ary tsy miasa intsony ao amin’ny ACM ny tenany, saingy mbola manda ireo fanapahan-kevitra, miteraka tsy filaminana sy manakana ny asa rehetra, hoy hatrany ny mpiasan’ny ACM, izay nanipika fa ohatran’ny zavatra foronina ilay izy, tena mitady ady fotsiny. Samy avy amin’ny faritra rehetra, kanefa voizina amin’ny resaka adim-poko, ka mpy izay, hoy ny mpiasa, izay nampahatsiahy fa nitory azy ireo foana io DAF io, narahana foana ny sitrapony, saingy andrim-panjakana sy orinasam-panjakana ny ACM ka tokony havela hiasa ny mpiasa sy ny ACM fa tsy korontanina lava. Nilaza ny mpahay lalàna Vola Ramanamizao, fa mpitory ity DAF teo aloha, ka izy no tokony hahafantatra izany. Nisy « audience » tamin’ny nampidirany ny fitoriana, ary efa voarain’ny sekreterany ny « notification », hoy ny fanazavana. Nanazava Atoa Alban Rakotoarisoa fa nandray ny asany ny 26 desambra, ny 06 janoary 2026 no nanapa-kevitra noho ny fananany olona heveriny fa hitondra fanatsarana haingana, ka anisany nosoloina ny DAF. Ireo Tale dia nanaiky am-pitoniana sy am-panajana ny fifampindram-pitantanana fa Atoa Rajaonarivelo Brizolas irery no nandà, ka 2 volana sy 10 andro nandringa ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny ACM. « Niezaka tsy nanao amboletra sy bodongerona, tsy namaly ny fihantsiana sy fanaratsiana rehetra, ka tsy voatery ho marina avokoa ireo fanaratsiana rehetra any amin’ny tambajotran-tserasera. Efa misy ny taratasy ara-dalàna, ny fanamarinana nataon’ny taratasy nomen’ny MESUPRES manatsahatra ny famindrana azy tany amin’ny ACM, ny taratasy avy amin’ny Filankevi-panjakana, ka anio amin’ny 8ora maraina ny fifamindram-pahefana. Tsy anjaranay intsony raha mbola midingin-drambo izy dia tsy anjaranay intsony, fa misy ny lalàna mifehy rehefa misy olona misakana ny fampandrosoana, manohintohina ny « sureté » sy « sécurité » amin’ny fitaterana an’habakabaka, ary manohintohina ny asam-panjakana. », hoy ny Tale Jeneralin’ny ACM Alban Rakotoarisoa. Andrasana ny tohiny…
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»