ny fifehezana fihetsiketsehana eto Antananarivo renivohitra hatramin’ny omaly no ambara ankehitriny. Hita ho sady nahatsikaiky ireo mpandalo no nahasorena ny olompirenena hafa ihany koa ny nahita ireo ambara ho mpitandro filaminana anatin’izao raharaha izao renoky ny torimaso sendra niserana tanaty fiara tsy mataho-dalana teo Ambohijatovo teo. Azo lazaina ho mafimafy ihany izay 6 andro nisian’ny hetsika niainga tamin’ny fitakiana herinaratra sy rano izay izao lasa mitohy hatramin’ny fitakiana ny fialàn’ny filoham-pirenena am-perinasa izao. Samy mirary ny hilaminan’ny raharaha faran’izay haingana moa amin’izao fotoana izao ny maro mba hiverenan’ny fihariana an-davanandro amin’ny laoniny tsikelikely ihany koa, raha ny angom-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona