airtel

Actualités

26-janv-2024

FIHAONANA ANKAZOBE

Olona 02 lasan'ny rano, mbola tsy hita popoka

Sample post image

Mbola tsy mijanona ny ora-mikija ao anatin'ny distrikan'Ankazobe

26-janv-2024

hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Miakatra izaitsizy ny rano vokatr’izany ka tandindomin-doza tanteraka ny ain’ny mponina. Olona miisa 2 no mbola tsy hita popoka lasan'ny rano omaly Alakamisy folakandro tokony ho tamin'ny 3 ora tao Antsaonjobe, fokontany Andranofotsy, kaominina ambanivohitra Fihaonana, distrikan'Ankazobe. Niampita renirano izy ireo raha araka ny fantatra ka lasan'ny riaka tao amin'ilay renirano antsoina hoe : Kelilalina izy roa mitambatra. Rasolofomanana Odifax , 62 taona ny iray raha toa ka Ratelomanana Deralalaina izay 32 taona ilay faharoa. Efa manao izay ho afany ireo mponina ao an-tanana hatramin’ny omaly hariva nikaroka azy mianaka ireto na dia mikija mafy aza ny ranon’orana. Andrasana ny fahitana ny razana.
Nangonin’i Pati
Legende : Sady mamono ny mamelona ny rano ka ilana fitandremana !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap