airtel

Actualités

24-févr-2026

Fihaonan’ny Filoha Malagasy

sy Frantsay anio Nialohavana dosie mangotraka sy ady mangatsiaka…

Sample post image

Nanainga omaly tokandro hiazo an’i Lafrantsa,

24-févr-2026

hihaona amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron anio talata 24 Febroary 2026any amin'ny Lapan’i Élysée ny Filoham-panjakana Malagasy Kolonely Randrianirina. Ity fihaonana ity izay tonga sy hatao taorian’ny fitsidihan’i Kolonely Randrianirina Michael tany Moscou, nanamafy ny fifandraisana vao mivoatra sy misongadina amin’i Rosia. Io no ho fitsidihana ofisialy voalohany any Frantsa ataon’i Kolonely Michael Randrianirina, izay eo amin’ny fitondrana hatramin’ny oktobra 2025, taorian’ny hetsika goavana nataon’ny tanora sy ny vahoaka, nampian’ny tafika, nampiala an’i Andry Rajoelina, izay nentin’i Paris niala an’i Madagasikara. « Zavatra roa samihafa fa tsy misy ifandraisany raha ny avy aty aminay. Samy nanasa antsika ireo Firenena roa ireo dia samy nanasa antsika. Mampiseho amin’ny Frantsay fa Madagasikara dia toerana natao handray vahiny sy tia fihavanana. », hoy i Kolonely Randrianirina Michael teo am-piaingana. Namafisiny fa tsy manavakavaka isika na iza na iza, efa napetraka ny diplaomasia mifandray amin’ny Firenena afaka ahazoan’ny Malagasy tombotsoa. Na izany aza, ara-politika ny fakana sy fampitsoahana na "exfiltration" an’i Andry Rajoelina voalaza ho nataon’i Paris dia mbola mampisavorovoro sy mety endriky ny ady mangatsika amin'ny lafiny diplaomatika, izay azo adika ho fitsabahana na "ingérence", isan’ny dosie mangotraka na iniana ampanginina aza. Mety ho resaka manokana eo amin’ny filoha roa tonta ny fiarovana azy sy ny antony ara-diplomatika nampihetsika an’i Frantsa tamin’izany? Ho voaresaka ve ny olana momba ny fanjakazakan’i Frantsa amin’ireo nosy manodidina an’i Madagasikara ? Io izay efa nanaovan'i Macron vava hoe ny fahantranareo mahatratra 80% no tokony hiandian-kevitra fa tsy io. Efa nanambara fanohanana ny Fanjakana sy ny fanavaozana politika eto Madagasikara i Lafrantsa, izay nialohavan’ny Fanambaran’ny Minisitry ny raharaham-bahiny roa tonta M. Jean-Noël BARROT sy Christine Razanamahasoa ny 20 janoary lasa teo. Namafa ireo lafin-javatra manamaloka ny fifandraisana ve ?
HANAO AHOANA NY FIFANDANJANA ?
Ara-politika, diplaomasia, toekarena, Madagasikara dia manomboka mitady fifandanjana vaovao eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, eo anelanelan’ny tandrefana sy ny BRICS, anatin'ilay fifandraisana mivelatra amin'ny rehetra na "toutes azimuts" sy "multilatéralisme". Raha manao tsindry ankolaka ny Vondrona Afrikanina sy nySADC amin’ny hanoloran’i Madagasikara tondrozotra na “feuille de route” amin’ity faran’ny volana ity, dia tsapa ho malefaka kokoa ny Tandrefana toy ny Vondrona Eoropeanina, izay manohy ny fiaraha-miasa sy fanohanana marolafy an’i Madagasikara ka hanamafy an’izay ve i Lafratsa ? Ho voafetra amin’ny fanampiana ara-teknika sy ara-bola ve ny fihaonana sa hisy fepetra politika manokana hifamatotra amin’izany? Hanao ahoana ny mety ho adihevitra momba ny fanafoanana na fanalefahana trosa, indrindra raha jerena ny fahavoazana nateraky ny rivodoza namono olona 62 sy traboina 270000 mahery vao haingana sy ny filàna famelomana indray ny toekarena. Ny resaka “téléphérique”, hanaiky ny fanafoanana trosa ve i Lafrantsa? Ny fisian’ny orinasa frantsay sy ny tombontsoa stratejika (angovo, harena an-kibon’ny tany, seranan-tsambo, indostria,…) dia azo antoka fa ho resaka lehibe. Ny fanontaniana dia hoe: ho voaaro ve ireo tombontsoa ireo sa hisy fifandanjana vaovao amin’ny mpiara-miombon’antoka hafa toa an’i Rosia sy Chine? Na heverina fa tsy misy fifandraisany aza, misy dikany sy lanjany diplaomatika fitsidihana tany Rosia, nanokatra maso amin’ny mety ho fifandraisana lalina kokoa amin’ny BRICS, saingy heverina fa tsy azo mety hanahirana an’i Lafrantsa. Mety hanova ny fijeriny sy ny politikam-panamaivanana hatramin’izay ?

STRATEJIKA
Ny fihaonana amin’i Macron dia azo heverina ho ezaka hanamafisana fa mbola manan-danja ny Frantsa sy ny tandrefana amin’ny fanohanana ny fitondrana ankehitriny. Midika izany fa ny fihaonana ao Élysée dia tsy vitan’ny hoe manamarika fifandraisana ara-diplomatika vaovao, fa manambara ihany koa ny mety ho fifandraisana eo amin’ny tandrefana sy ny BRICS amin’ny fitazonana toerana stratejika aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Raha mahay mandanjalanja i Madagasikara, dia mety hahazo tombontsoa ara-toekarena sy ara-diplomatika avy amin’ny lafy roa. Saingy ny fanamby lehibe koa ny fitazonana ny fiandrianam-pirenena sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena mahazo tombony ara-drariny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap