herinaratra na «groupe électrogène» sy fihariana angovo avy amin’ny masoandro na «panneau solaire», hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandraharaha madinika iray. Na miezaka mitsitsy aza nefa, hoy ny mpikarakara endrika amam-bika sy taovolo iray etsy Ambohimirary, dia voatery mampitombo ny fandaniana ihany ianao rehefa miseho ilay olan’ny herinaratra amin’ity delestazy ity. Eo am-panaovana volon’olona ianao no tapaka maharitra ny herinaratra dia lasa voatery mihitsy ianao aloha, ohatra, mividy kafé na kafé sy mofo ho an’ilay mpanjifa mba tsy hampitombo ny fahasorenany. Ny olona tokony ho ao aminao aorian’izay nefa tsy azo raisina satria tapaka izany ny jiro. Raha atao fotsiny hoe 5000 Ariary ny sarany na «Tarif» hanaovana ny volon’olona iray ka misy olona miisa 3 na 4 tokony ho raisinao anatin’iny fahatapahan’ny herinaratra iny dia efa very 15.000 na 20.000 Ariary mihitsy izany ianao. Ny ofan’ny toerana iasàna tsy maintsy aloha. Ny karaman’ireo mpiasa koa torak’izany. Ny JIRAMA koa tsy hanaiky na tsy mahafa-po aza ny tolotra omeny. Zara raha misy raisina izany sisa ny toeram-piasàna. Ilay fihariana potehin’ny herinaratra tsy milamina sady mampihena fidiram-bola no mampitombo fandaniana, hoy hatrany ny fitarainan’ireto mpandrahara madinika ireto.
Nangonin’i J. Mirija
fanakorontanana sy tranga misesy fa efa vita kajy !
Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra
Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana