airtel

Actualités

06-févr-2023

Actualités

Fikambanana ADS Mitaky ny fahaleovantenan’Ampasika

Sample post image

Tontosa ny sabotsy teo tetsy amin’ny foibeny etsy Anosimasina ny fifampiarahabana tratry ny taonan’ny fikambanana ADS na “Abattoir dynamique solidarité”.

06-févr-2023

Fotoana ihany koa anefa izao, hoy ny filohan’izy ireo, Lova Andrianjaka, hitaterana ny hetahetan’ny vahoaka ety. Soloinay tena izy ireo satria saika efa mpikambana ato avokoa, hoy izy. Fikambanana tsotra ny ADS ary mifototra amin’ny fitandroana ny filaminana, ny asa soa, fahasalamana asa sosialy. Te hilaza ankehitriny ny ADS hoe tery loatra ity toerana ity. Efa nisy fotoana tonga teto ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny depiote, minisitry ny atitany, ny tomponandraikitry ny kaominina. Hitan’ireo fa miha maro ny olona mipetraka eto. Nisy fotoana nangatahan’ny fokonolona ny hizarana ity fokontany ity ho 2. Anosimasina izao no mitondra ny eto Ampasika nefa ny isan’ny olona mipetraka eto izao efa miisa 45.000 ary tena tery dia tery. Mitovitovy amin’izay koa ny an’ny fokontanin’Anosimasina. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ary tsy azo tsinontsiniavina ny valanaretina. Sarao amin’Ampasika I Anosimasina. Misy vakim-paritra miisa 4 I Ampasika ary efa mahazaka kaominina dia Ampasika atsimo, Ampasika avaratra, Ampasika andrefana, Ampasika afovoany. Misy vaky trano foana eto isan-kalina. Misy fanendahana isaky ny harivariva. Tsy dia maharaka intsony ny isan’ny vahoaka ny mpitandro filaminana. Anosimasina misy an’Anosimasina, Ambohikely, Ankadilalana. Mbola miantso ireo 18 taona no mihoatra eto moa izahay hanatevina ny fikambanana satria iraisantsika ny tolona ato ary niforona niainga tamin’ny asa nifotorantsika ity dia ny abatoara fa ilaina ao anatin’izany indrindra koa anefa ny fandraisana anjara amin’ny alalan’ny hetsika atao sy firaisankina, izay maha ADS ny ADS, hoy hatrany ity fikambanana ity mitaky ny fahaleovantenan’Ampasika.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap