airtel

Actualités

09-mai-2023

Actualités

Fikambanana croix rouge Malagasy Nizara sakafo ho an’olona sahirana 50 teto an-drenivohitra

Sample post image

Manohy ilay teny filamatrany hatrany ny fikambanana « Croix rouge » entina hanamaivanana ny fanaintainan’ny mpiara-belona .

09-mai-2023

Noporofoiny tamin’ny alalan’ny fizarana sakafo ho an’ireo olona sahirana miisa 50 izany omaly tetsy amin’ny Parvis Analakely.Raha araka ny fantatra moa dia mahatratra 10.000 isa ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny « Croix rouge malagasy » amin’izao fotoana izao raha 120 ny isan’ny mpiasa raikitra ankehitriny, miparitaka manerana ny faritra 23. Nanampy sy nanome tanana ireo olona marobe lasibatra nandritra ny fandalovana rivo-doza nisesisesy tany Morondava sy Mananjary koa izy ireo. Ankehitriny indray manomboka ny tetikasa Miarina izay, fanampiana ara-bola sy fanomezana masomboly, fanomezana asa ary fanomezana biby fiompy hahafahan’ireo tena sahirana mivelona. Mahatratra 10.000 ny olona mahazo tombony amin’ity tetikasa ity izay haharitra enim-bolana. Nankalazaina omaly ny andro irasam-pirenena ho an’ny « Croix rouge ». Nifanindry an-dalana tamin’izany ny fankalazana ny faha-60 taonany izay narahina fandraisaa mpikambana vaovao. Nisy nandritra izany ny fizarana mari-boninahitra ho an’ireo mpikambana tena nahavita be.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap