airtel

Actualités

05-mai-2023

Actualités

Fikambanana Fanantenana FAFI-5 Zazalahy an-jatony no noforaina maimaimpoana

Sample post image

Nosokafana sy natomboka ny alarobia 3 may 2023 ary nitohy omaly alakamisy 4 mey 2023 ny didipoitra faobe 2023 tontosain'ny fikambanana mpanao asa soa Fanantenana FAFI-5

05-mai-2023

izay tarihin'ny filohany Hanitriniala Raholdina, iarahana amin'ny Clinique Fidy Ambatomainty. Zazalahy an-jatony no noforaina tamin'izany ka maimaimpoana daholo ny fanatanterahana izany ary mbola nozaraina kilalao sy bisikoitra ary vatomamy sy ny toy izany ireo zaza, hoy ny fampitam- baovao voaray. Ny Ray aman-dreny kosa dia nozaraina filana an-davan’andro na PPN toy ny savony, menaka, vary, macaroni. Efa 18 taona teo no niarahan'ny Dr Fidy sy ny fikambanana Fanantenana FAFI-5 niasa raha efa 23 taona mahery no nanampy ny sahirana izy mivady. Izao no natao dia mba hanampiana ny sahirana satria sady ara-pomba malagasy no ara-pahasalamana ny didipoitra. Miasa sy manasoa vahoaka no filamatry ny fikambanana. "Aza manao kely tsy mba mamindra" ka mitohy ihany ny asa sosialy ataon'ny Fanantenana FAFI-5 tarihin'ny filohany, Hanitriniala Raholdina, hoy hatrany ny hafatra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap