Nitondra solika 30 litatra ho an’ny kaominina. Efa nanatitra vary 10 gony sy mofo dipaina an-jatony ihany koa izy ireo satria ny zava-dehibe dia ny hoe: misy zanak’I Toliara ary miray hina rehefa misy zavatra manjo, hoy ny fanamarihan’ny Toliary Raika Avao Atoa Aderman Omar. Nomarihiny fa Fikambanan’ny tanora tonga saina izy io, tsy manavaka, tsy miresaka politika, fa mila miray ny zanak’I Toliara satria ny firaisan-kiana ihany no ahafahana manandratra avo sy mampandroso ary mampisondrotra an’I Toliara, hoy izy ireo. Nomarihin’ny Filohany hatrany, fa samy manana ny firehany ireo, misy fikambanana, misy antoko politika,.. fa tsy izay no zavatra voizina fa ny fitambarana iray ho an’I Toliara. Manana adidy sy andraikitra isika satria samy miaina eto, manana andraikitra ny mpandraharaha satria ireo vahoaka noana ireo no mpanjifa anareo, ka tokony hifanampy rehefa misy zavatra manahirana, hoy ny fanentanan’ny mpitarika ny Toliara Raiky Avao Atoa Adberman Omar.
Nangonin’i Toky R
Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny
Tokony ahidina eny amin’ny Fokontany aza ka mandefa solontena any an-toerana ny
Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na
Tsy mitsahatra ny manohitra ny tetikasa Base Toliara ireo mponina any an-toerana,
Zazavavy kely miisa 7, manodidina ny 3 hatramin'ny 14 taona,
Mitady ny fomba rehetra mba hahazoany vola mihitsy ny mpisoloky amin’izao.