Nosokafana omaly 19 mey 2026 tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana teny amin’ny FJKM Ankadikely Ilafy ny Komity foibe faha-47 sy Fihavanambe’ny FFKM ho fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena. "Indro havaoziko ny zavatra rehetra", Apôk. 21,5. Io no tenin’ny Soratra Masina nentin’ny FFKM nanokatra izany. Ny FFKM izay nomena ny fahefana hitarika ny fikaonandoham-pirenena. "Aoka tsy hoheverina ho hetsika pôlitika fotsiny izao Fikaonandoham-pirenena izao... fa lalana mankany amin’ny fanovana sy fahaterahana indray, hanangananana ny rafitra mikendry ny soa iombonana", hoy ny Filohan’ny FFKM, Mgr RANARIVELO Samoela Jaona. Nampahatsiahy ny FFKM fa mikendry ny hanomanana ny fifampidinihana nasionaly sy ny fifidianana ho avy ireo fifanakalozan-kevitra. Ny tanjona mazava dia ny hanamafisana ny firaisankina nasionaly sy ny famerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny mpitondra, miaraka amin’ny fanomezana lanja manokana ny tanora ao anatin’ity dingana ity. Nanome voninahitra ny fotoana androany ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël. Noho izany andraikitra goavana nomena ny FFKM dia nankahery ireo Mpitarika ny tenany. « Zava-dehibe ny andro androany satria ankoatra ny fikaonandohan’ny FFKM dia fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Tsy mora ny miandry ny FFKM amin’io fikaonandoham-pirenena, ka ny Fanjakana dia manome lanja ny fitarihan’ny fiangonana izany. Efa ela ny safidy, mila fanavaozana tena izy isika », hoy ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael. Notsiahiviny ny iraka 3 hotanterahany ao anatin’ny fotoana fohy hitantanana ny Firenena : Famaliana ny hetahetan’ny vahoaka (rano, jiro, vidim-piaianana), fikarakarana fifidianana, fanavaozana. « Tsy vitako irery, tsy vitan’ny Fanjakana irery fa manana andraikitra be amin’io ny FFKM », hoy hatrany izy. Ny fikaonandohan’ny tanora nanomboka ny 14 aprily ohatra, dia fanomanana ny fikaonandoham-pirenena tena izy hatao manomboka ny 03 jona. « Matoky ny fiangonana, fa ny fiangonana tsy toy ny rehetra izay mety ho voavidim-bola, tsy toa anay mpanao politika »,n hoy hatrany ny Filoham-panjakana. Nanolotra vola 150 tapitrisa ariary ny fitondrana hikarakarana ny fihaonambe ho an'ny FFKM. Mangataka vavaka ho an’ny Firenena izay miatrika ady mafy, ka nilazan’ny Filohan’ny fanavaozavana fa tsy misy olona marina eto ambon’ny tany, be kolikoly sa tsy be kolikoly, nandainga sa tsy nandainga,… dia Jesosy no mitsara ny tsirairay », hoy ny Kolonely Randrianirina Michael izay nangataka fa rehefa mivavaka dia tokony hanana faharetana. Mbola 20 000m3 io navoakanay io, mbola hisy manaraka, ka angatahana vavaka, hoy izy raha niresaka ny famahana ny olan’ny rano. « Tsy 7 volana no hamerenana ny zavatra lo nandritra ny taona maro. Zanakareo izahay, teneno zahay rehefa tsy mety. Izaho manokana mpiandry voafehin’ny rafitra FLM, ary voafehin’ny FFKM. », hoy ny kolonely Randrianirina. Nankahery ny FFKM moa ny tenany, izay nanipika fa tsy mora ny hahazo azy ireo, tsy mora no hitsaran’ny vahoaka izay tsy mahari-pery, fa izahay matoky anareo, hoy hatrany ny tenany.
Toky R
Mitaraina ho nataon'ny mpanao politika fitadiavan-tseza fotsiny
afaka mitory rehefa tapitra ny fivorianay ! »