airtel

Actualités

09-juil-2021

Actualités

Fikasana hamono ny Jeneraly Ravalomanana Nanome ny fanazavany ny Maitre Maka

Sample post image

Tanjonay ny hamerina ny mpikirakira ny lalana rehetra na mpanao fanadihadiana na mpitsara na mpisolovava hiverina ao anatin’ny ara-dalana,

09-juil-2021

 hoy ny isan’ireo mpisolovava ireo voarohirohy tamin’ny raharaha Jeneraly Richard Ravalomanana, ny Maitre Maka omaly. Araka ny voalazan’ireo zandary, hoy izy, dia manana porofo izy ireo fa ireo olona ireo dia mikasa marina ny hamono ny minisitra avy nanao filankevitry ny minisitra teny Iavoloha. Voasambotra teny Androndrakely ireo olona ireo hiandry ilay minisitra hody. Ny tena zava-nisy sy tsara ho fantatry ny vahoaka Malagasy dia mpivarotra fiara no asan’ireo olona ireo. Rehefa misy, noho izany, ny miteny aminy hoe ento aty ilay fiara toy izao fa ho vidiako dia mankany ry zalahy. Tamin’io andron’ny alarobia 23 jona io dia narary tao an-trano ny iray tamin’izy 3 lahy. Ny namany kosa no nahazo ilay antso hoe ento aty ilay 207 anareo fa atakalonay Kia. Dia niala avy eto Antananarivo izy ireo dia niantso ilay iray mipetraka eo Androndrakely ilay iray avy eny Analakely hoe ento aty ilay 207 fa misy hividy. Nandeha moto ilay iray niala teo Androndrakely nankeo amin’ny Station Jovena Androndrakely. Najanony teo ny Moto dia nandeha fiara izy 3 lahy nankany Andoharanofotsy. Any izy manao ilay fifanakalozam-barotra no misy miantso hoe tongava aty amin’ny Station Jovena Androndrakely fa misy Kia amidy mora ato. Novitaina haingana ny natao tany Andoharanofotsy dia niverina izy. Tonga eo Androndrakely izy dia voasambotra. Aiza ho aiza amin’izay ilay hoe efa niomana hanao famonoana ireo olona ireo? Voaray any anaty fanadihadiana mihitsy ilay laharan’ny finday niantso hoe tongava eto. Hatraiza ilay ilazana ao anatin’izany fa misy porofo? Any am-panaovana fanadihadiana izany dia efa manasazy ny “officier de police judiciaire” hanagadra hoe meloka ireto olona ireto, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap