hiatraika amin’ny famatsiana rano
Nisy ny fampahafantarana ofisialy nataon’ny JIRAMA momba ny asa fikojakojana kasaina hatao ao amin’ny tobim-pamokarana rano Mandroseza I, ka hiteraka fahatapahana na tsy fahampiana na fikorontanana lehibe amin’ny famatsiana rano eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, anio alakamisy 8 oktobra 2026. Asa ara-teknika lehibe no hotanterahina amin’ny “décanteur Pulsator II”, iray amin’ireo singa tena manan-danja amin’ny fizotry ny fanadiovana rano alohan’ny hizarana izany amin’ny mpanjifa. Navoitra fa tsy fanamboarana tsotra akory no hatao, fa fepetra sy asa tsy azo hihodivirana entina miaro ny faharetan’ny fotodrafitrasa sy manatsara ny kalitaon’ny tolotra ho an’ny mpanjifa. Araka ny nambaran’ny orinasa, ilaina ity fikojakojana ity mba hahafahana manaraka hatrany ireo fenitra takiana amin’ny fanadiovana rano ary koa hanatsarana ny fahafahan’ny tobim-pamokarana mamaly ny fitomboan’ny filàn’ny mponina. Hanomboka amin’ny 7 ora maraina ny asa ary tombanana haharitra sivy ora eo ho eo. Mandritra izany fotoana izany dia hisy ny fampihenana ny fahafahan’ny tobim-pamokarana miasa, ka tsy maintsy hisy ny fiantraikany amin’ny tambajotran’ny fitsinjarana rano. Ny afovoan-tanàna sy ireo manodidina azy no isan’ny tena voakasika amin’izany. Ahitana izany ny Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatonakanga, Antaninarenina, Ambatovinaky, Ambohidahy, Antaninandro, Behoririka ary Andravoahangy. Tsy ho afa-bela ihany koa ny Ambatomitsangana, Manjakaray, Amparibe, Anjanahary, Amboditsiry ary Tsiadana izay samy miankina amin’ny tambajotra avy any Mandroseza. Tafiditra ao anatin’ny lisitra i Mahamasina, Fort-Voyron, Ambolokandrina, Ankatso, Ambohipo, Ampandrana, Ankadivato, Ambanidia, La Haute Ville, Mahazoarivo ary Ankadievo. Any amin’ny faritra atsimo sy atsinanan’ny renivohitra koa dia mety hisy ny fikorontanana, ka voakasika ny Alasora, Imerimanjaka, Ankaraobato, Tanjombato, Andoharanofotsy, Fort-Duchesne, Ampandrianomby, Ampanotokana, Andraisoro ary Antsahameva,…
Toky R