airtel

Actualités

22-août-2023

Actualités

Fikorontanan’ny tambazotram-pifandraisana Mby aiza ireo fanadihadiana parlemantera?

Sample post image

Tsy vao sambany fa efa saika matetika isika eto Madagasikara no lasibatry ny fikorontanan’ny tambazotram-pifandraisana

22-août-2023

na resaka fifandraisan-davitra io na tambazotran-tserasera. Nipoitra indray izany omaly ary nandritry ny ora maro mihitsy. Maro ireo orinasa voatery nanena ny asany noho izay tsy fahatomombanan’ny teknolojia izay. Misy ireo voatery nanenjika sy nihazakazaka ka azo antoka fa tsy hahajery loatra ny lafiny kalitao intsony. Aiza ho aiza ihany ny fanadihadian’ireo vaomiera misahana ireto mpandraharaha ara-pifandraisan-davitra na “opérateur téléphonique” eto amintsika ireto eo anivon’ny antenimieram-pirenena? Im-piry nikaikaika amin’ny afitsok’izy ireo moa ny mpanjifa malagasy? Efa mba nisy ihany ve ny fepetra noraisina sy fanadihadiana lalina natao mikasika ny filazan’ireo mpanjifa sasany fa tena misy karazana halatra amin’ny fomba mihaja mihitsy ataon’izy ireo ao anatin’izany rehetra izany?
TSY AZO IHODIVIRANA NY TEKNOLOJIA SY NY NOMERIKA
Etsy ankilany, maika ny fampivoarana miainga amin’ny teknolojia sy ny fampiroboroboana ny nomerika eto Madagasikara amin’izao andro ankehitriny izao ary tsy azo ihodivirana izany. Ankoatra ny fampianarana mifototra amin’I Madagasikara, ny fitsinjarana ara-bola, dia vina lehibe fahatelon’ny vovonana politika Firaisankinan’ny tia tanindrazana na FTT sy ny antoko politika Tia tanindrazana ny “Madagasikara nomerika”, vina izay efa voavolavola sy nodinihina lalina nanomboka ny taona 2010, hoy ny fanamarihana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap