Mpitantana vaovao indray ankehitriny no mitondra ny hetsika rehetra nokarakarain’ny 1Ere ligne teo aloha dia ny Hazovato Forello Expo, hoy ny fanazavan’ny mpandrindra ankapoben’ny hetsika, Harilala Ramanantsoa, tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina, omaly. Ho apetraka ho laharam-pahamehana amin’ity ny tomponandraikitra miaro ny tontolo iainana na « Eco-responsabilité ». Hiompana amin’izay maha tomponandraikitra mikolokolo ny tontolo iainana izay, noho izany, ny fanentanana ireo mpandray anjara rehetra. Fantatra fa sehatra iray natao ahafahan’ireo mpandraharaha miserasera ary mampahafantatra ny vokatra na tolotra misy eo aminy ny FIM. Omena sehatra matihanina, noho izany, izy ireo. Ho asiana ny fanampiana azy ireo mba havitrika sy tsara fandraisana ireo mpitsidika azy ireo. Ho atao koa ny fomba hametrahana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpandraharaha hahatsara petraka ny tolotra sy tinady na « espace B to B » izay ho hatsaraina. Hisy sehatra ahafahan’ireo mpandray anjara na mpiara-miombon’antoka mampahafantatra ny vokatra ihany koa mandritry ny hetsika. Hiezaka izahay hametraka ny maha varotra iraisampirenena ny hetsika. Maro ny mpandraharaha malagasy te hisehatra amin’ny iraisampirenena nefa tsy mahita lalana. Misy sehatra natokana ho azy ireny ao. Hahazo tombony daholo na mpandraharaha madinika na salantsalany na lehibe no tanjona. Hampiseho ny tsara rehetra eto Madagasikara ny FIM 2023, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Legende : Ry zareo mpikarakara vaovao ny FIM
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa