airtel

Actualités

17-oct-2023

FINDAY VOADONA TAMPOKA

Vely bois rond avy hatrany no valiny

Sample post image

Tena miharatsy andro aman’alina ny fiainana eny anivon’ny fiaraha-monina eny .

17-oct-2023

Lasa kizintina sy lavitry ny fifandeferana ny olona vokatry ny hasarotan’ny fiainana hany ka lasa manaotao foana. Tsy misy hafa amin’izay ny zava-nitranga teny Fenoarivo Atsimondrano teny ny Alahady 15 Oktobra. Vehivavy manodidina ny 23 taona eo ho eo, Renim-pianakaviana niteraka iray no fantatra fa novelesin’ilay Ramatoa iray nifanena taminy tamin’ny bois rond ny lohany raha voadonan’itsy voalohany tampoka ny finday teny an-tanan’ity farany. Naratra mafy io Renim-pianakaviana kely io vokatr’izany. Ilay finday anefa teo an-daniny, finday tsotra na foza hoy ireo nanatri-maso fa tsy mba irony finday lafo vidy irony no sady tsy nisy simba ihany koa. Nentina namonjy dokotera haingana teo amin’ny manodidina moa ilay Renim-pianakaviana naratra izay fantatra fa nidonam-pahoriana ihany koa vokatry ny namoizany tampoka an-janany, tamin’io Alahady io ihany, zaza izay fantatra fa efa narary.

Pati
Legende Naratra mafy tahaka izao ilay Renim-pianakaviana !
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap
21-mai-2025

Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,

Card image cap
21-mai-2025

Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,

Card image cap
21-mai-2025

Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny

Card image cap
20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap