airtel

Actualités

27-avril-2022

Actualités

Fiomanana amin’ny loza Vonona hifanome tànana ny UNICEF

Sample post image

Mamita iraka eto Madagasikara ny delegasiona avy amin’ny UNICEF na ny Tahirin’ny Firenena Mikambana misahana ny ankizy,

27-avril-2022

tarihin’ny Talem-paritra misahana ny faritra Atsinanana sy Atsimon’i Afrika, Andriamatoa Mohamed Moustapha Malick Fall, ary nihaona tamin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, teto Mahazoarivo, omaly maraina.
Mifanaraka amin’ireo laharam-pahamehan’ny rafitra anivon’ny Firenena Mikambana, indrindra ny Unicef, hoy Andriamatoa Mohamed Moustapha Malick Fall, ireo laharam-pahamehan’ny Governemanta nampahafantarin’ny Praiminisitra, nandritra ny dinika nifanaovan’ny roa tonta, hoy ny tatitry ny Fiadidian’ny Primatiora. Anisan’izany ny mahakasika ny ankizy sy ny fahasalamana. Ankoatra izay, manoloana ireo loza voajanahary mifandraika amin’ny fiovaovan’ny toetrandro, raha toa ka asa mandritra ny hamehana no natao hatrizay, dia hifantohana bebe kokoa ny fanomanana mialoha an’ireo vondron’olona sy ny mponina mba hahafahan’izy ireo miatrika ireo loza samihafa izay hita sy tsapa fa miverimberina saiky isan-taona. Manan-danja eo amin’ny fiaraha-miasan’ny Unicef sy ny firenena Malagasy io lafiny io, hoy ity talem-paritry ny Unicef ity, hoy ny fampitam-baovao. Ankoatra io, notanterahina omaly ihany koa ny fivoriana teo amin'ny Minisitry ny Fahasalamana Pr. Zely Randriamanantany sy ny ekipan'ny UNICEF izay notarihan'ny talen'ny UNICEF Atsimon’i Afrika sy ny Solontenan'ny UNICEF eto Madagasikara, Atoa Jean François Basse izay niresahana ireo tetikasa iombonana toa ny ady amin'ny Covid-19 ary ny fahasalamanan'ny reny sy ny zaza.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap