airtel

Actualités

02-oct-2025

Fiombonan’ny mpanao

gazety Kristianina malagasy

Sample post image

Fanitsakitsahana ny zo fototra

02-oct-2025

iraisampirenena ny herisetra amin’ny mpanao gazety»
Namoaka fanambaràna koa omaly ny Fiombonan’ny mpanao gazety Kristianina malagasy na ny FMGKrima fa eo anatrehan’ny trangana herisetra sy fanavakavahana misesisesy atao amin’ireo mpanao gazety malagasy miseho amin’ny endrika maro samihafa toy ny rahom-bava, daroka, vono, ompa, famotehana fitaovana, fanapoahana baomba amin’ny toerana ivorian’ny mpanao gazety, fikasihan-tanana sy ny maro samihafa ataon’ny mpitandro filaminana izay miverimberina matetika dia tsy azo ekena ary melohina izany rehetra izany satria fanitsakitsahana mivantana ny zon’olombelona fototra iraisampirenena ao amin’ny andininy faha 19, izay milaza fa “manan-jo ny tsirairay hikatsaka, hanangona, hampiely hevitra amin’ny alalan’ny fitaovam-pifandraisana rehetra”. Tsy fanajana izany no miseho ka manohintohina ny fanaovan-gazety sy ny zo fototry ny olom-pirenena hahazo vaovao marina sy ara-potoana, hoy ny fanambaràna. Miantso ny tomponandraikitra rehetra voakasika mba handray fepetra hentitra sy hanasazy araka ny lalàna tandrify ireo mpitandro filaminana (GSIS) izay voatonona sy hita an-tsary nandritra ny tranga. Miteraka tahotra, horohoro ary fikorontanan-tsaina eo am-panaovana ny asan’ny mpanao gazety ny fampiasàna hery sy fiantsiana atao. Atsaharo izany! Miara-ory sy mampahery ireo fianakaviana mana-manjo ary maniry fahasalamana an’ireo mbola an-dalam-pitsaboana. Mitaona sy manentana ny mpanao gazety rehetra hanamafy hatrany ny 4 Fi na Fiombonana, fifankatiavana, firaisankina, fifanampiana. Taomina isika hivavaka ho fangatahana famindram-po avy amin’Andriamanitra ho an’ny firenena, hoy hatrany ny fanambaràn’ity fikambanana tarihin’ny filoha nasionaliny, Evariste Rasolohery, ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap