airtel

Actualités

13-mars-2023

Actualités

Fiondranana an-tsokosoko any Mayotte Rendrika ny lakana, 22 tamin’ny 47 no maty…

Sample post image

Lakana lehibe nitondra mpandeha voalaza fa miisa 47 no rendrika tany amin’ny fari-dranomasina Ankazomborona, Kaominina Beramanja, Distrika Ambilobe.

13-mars-2023

Saika hihondrana an-tsokosoko ho atsy amin’ny nosy Mayotte izay ao anatin’ny departemanta frantsay izy ireo no izao tra-doza izao. Mpanjono no nahita azy ireo nitady vonjy omaly alahady 12 martsa vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina tao Nosy Faly Ambilobe. Miisa 25 ireo hita voalohany tamin’izay, mandra-paharaina ny andro, ka roa no maty rehefa tonga an-tanety satria efa nahazo ranomasina be loatra, ka sempotra. Ny iray vehivavy 31 taona , iray lehilahy, tsy fantatra ny momba azy. Miisa 23 kosa no mbola velona. Nanao fikarohana ihany koa ny sampan-draharaha mpiandraikitra ny eny an-dranomasina avy ao Nosy Be Hell Ville. Vatana mangatsika 20 noho izany no hita, tany amin'ny fari-dranomasin’i Nosy Faly, ka hoentina any Ankify, raha ny vaovao nivoaka omaly . Mbola somary nifamahofaho moa ny isa hatry ny omaly alina, ary voalaza fa nandositra avokoa ireo mpandeha 23 velona fa matahotra sao ho voasambotra sy higadra, ka vao mainka nampanano sarotra. Tsy vao sambany ny fisiana fitsoahana antsokosoko miainga avy eto Madagasikara indrindra fa amin’iny tapany avaratra iny mandeha miazo any amin’ireo Nosy rahavavy manodidina antsika indrindra ka Maoyotte sy Comores matetika no tena alehany. Tao ny mety tafita mety tsy tratra, tao ny tratra sy voatery nampodiana teto, ary nisy ny rendrika tahaka izao mitranga izao.
TSY FANANAN’ASA, FAHANTRANA,…
Vokatry ny tsy fananan’asa amin’ny ankapobeny no voalaza fa nanosika ireto olona ireto hiala an-tsokosoko eto Madagasikara tahaka izao, hitady fiainana tsaratsara kokoa. Volabe ny saran-dalana nalohan’izy ireo noho izany izay nomarihin’ireo mpanome vaovao fa vola mety efa nangonina efa ela ny an’ny sasany raha mpanam-bola kosa ny sasany ka afaka nandoa izany avy hatrany. Efa misy ary ve izany tambajotran’olona na orinasa mandray azy ireo any sa rehefa any vao mikaroka? Tena mila dinihina lalina satria tena efa ho lava, ka raha fiainana tsaratsara no katsahina, ny aina no manefa. Matoa aloha tafavoaka izy ireny dia mibanaka ny sisin-tanintsika na ny mivoaka na ny miditra. Olona 47 aza tsy hita ny hivoahany, mainka fa volamena an-jatony na an’arivo kilao? Mba tonga saina ihany koa ve ny mpitondra isan’ambaratongany fa mahantra sy mahatsiaro tena ho tsy velona eto an-tanindrazana ny Malagasy sasany dia izao no iafarany?
Toky R/Pati
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny

Card image cap
23-mai-2025

Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara

Card image cap
23-mai-2025

an-trano no tokony hataon’ny depiote!»

Card image cap
23-mai-2025

Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana

Card image cap
23-mai-2025

setrasetra, fikasihan-tanana, ompa…»

Card image cap
23-mai-2025

Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa

Card image cap