airtel

Actualités

25-avril-2025

Fiovana goavana eran-tany, tsy fanjarian-tsakafo

Hanamafy ny fiaraha-miasa stratejika ny COI

Sample post image

Filaminana sy fahaleovantena ara-tsakafo ho fampivoarana ny tsenan’ny Indianocéanie”,

25-avril-2025

io no lohahevitry ny Fihaonana an-tampon’ny COI na ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina andiany faha-5, izay nahitana filoham-panjakana miisa 4 sy Praiminisitra iray, ankoatra ireo delegasionina samihafa ahitana mpikamban’ny governemanta, parlemantera, mpandraharaha ara-toekerana,… Navoitra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa rejionaly, fanamby sy fiatrehana ireo fiovana goavana eran-tany, fahamarinan-toerana ara-toekarena, tsy fanjarian-tsakafo, fampitoviam-pijery mikasika ireo sehatra stratejika,… Tafiditra ao anatin’ny fanombanana ny faha-40 taona nisian’ny COI ihany koa ny fihaonana. Navoitran’ny Filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, ny fanirian’i Madagasikara ho sopitry ara-tsakafo aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina sy ny kaontinanta Afrikana. Nambarany fa zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ny fahaleovantenan’ny sakafo ho an’ny faritra. Raha ny marina, mihoatra ny 90%-n’ny tany azo volena ao amin’ny COI dia eto Madagasikara, ka mendrika hampiasaina amin’ny fomba maharitra izany harena izany. Nanao velirano ho an’ny Ranomasimbe Indianina sy Afrika indray ingahy Filoha fa ny fahatanterahany aloha toa mbola lavitra ezaka !? Naneho moa ny Filohan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan fa teboka stratejika iray lehibe ny fanatsarana ny filaminana ara-tsakafo sy ny fampiroboroboana ny tsenam-paritra. Etsy ankilany, nanome fanazavana momba ireo tetikasa telo lehibe hanohanana ny fambolena sy ny jono ao amin’ny faritra ny Filohan’i Frantsa, Emmanuel Macron : fampiroboroboana ny famokarana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa « agro-logistique », ny fampifandraisana ara-pamokarana sy ara-barotra eo amin’ny firenena mpikambana, ary ny fanamafisana ny rafitra ara-dalàna sy fenitra hiarovana ny faritra. Nambarany fa tsy sakana amin’ny famokarana ny fenitra ara-pahasalamana sy « phytosanitaire », fa kosa hery mitondra fifaninanana sy miaro ny fahasalamam-bahoaka. Namporisika izy mba hanafoanana ny sakana amin’ny fivezivezen’ny vokatra. Nandray fitenenana ihany koa ny Praiminisitra maorisianina, Navin Ramgoolam, izay nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miatrika ireo fanamby iombonana, ary koa ny fampihenana ny fianteherana amin’ny tsena ivelany amin’ny alalan’ny fanamafisana ny varotra eo amin’ny firenena ao amin’ny Ranomasimbe Indianina. Farany, ny Filohan’ny Union des Comores, Azali Assoumani, dia nanentana amin’ny fametrahana faritra famokarana ara-pambolena sy ara-tsakafo manerana ny nosy, amin’ny alalan’ny fampiasam-bola avy amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Tanjon’izany ny fanitarana ny fifanakalozana ara-barotra eo anivon’ny COI, sy ny famoronana asa ho an’ny tanora, amin’ny alalan’ny famokarana mahomby sy mifaninana. Ity farany izay nanipika fa zava-dehibe ny fampiharana ny fehin-kevitra izay noraisina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap