airtel

Actualités

25-avril-2025

Fiovana goavana eran-tany, tsy fanjarian-tsakafo

Hanamafy ny fiaraha-miasa stratejika ny COI

Sample post image

Filaminana sy fahaleovantena ara-tsakafo ho fampivoarana ny tsenan’ny Indianocéanie”,

25-avril-2025

io no lohahevitry ny Fihaonana an-tampon’ny COI na ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina andiany faha-5, izay nahitana filoham-panjakana miisa 4 sy Praiminisitra iray, ankoatra ireo delegasionina samihafa ahitana mpikamban’ny governemanta, parlemantera, mpandraharaha ara-toekerana,… Navoitra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa rejionaly, fanamby sy fiatrehana ireo fiovana goavana eran-tany, fahamarinan-toerana ara-toekarena, tsy fanjarian-tsakafo, fampitoviam-pijery mikasika ireo sehatra stratejika,… Tafiditra ao anatin’ny fanombanana ny faha-40 taona nisian’ny COI ihany koa ny fihaonana. Navoitran’ny Filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, ny fanirian’i Madagasikara ho sopitry ara-tsakafo aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina sy ny kaontinanta Afrikana. Nambarany fa zava-dehibe ny fandraisana anjara amin’ny fahaleovantenan’ny sakafo ho an’ny faritra. Raha ny marina, mihoatra ny 90%-n’ny tany azo volena ao amin’ny COI dia eto Madagasikara, ka mendrika hampiasaina amin’ny fomba maharitra izany harena izany. Nanao velirano ho an’ny Ranomasimbe Indianina sy Afrika indray ingahy Filoha fa ny fahatanterahany aloha toa mbola lavitra ezaka !? Naneho moa ny Filohan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan fa teboka stratejika iray lehibe ny fanatsarana ny filaminana ara-tsakafo sy ny fampiroboroboana ny tsenam-paritra. Etsy ankilany, nanome fanazavana momba ireo tetikasa telo lehibe hanohanana ny fambolena sy ny jono ao amin’ny faritra ny Filohan’i Frantsa, Emmanuel Macron : fampiroboroboana ny famokarana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa « agro-logistique », ny fampifandraisana ara-pamokarana sy ara-barotra eo amin’ny firenena mpikambana, ary ny fanamafisana ny rafitra ara-dalàna sy fenitra hiarovana ny faritra. Nambarany fa tsy sakana amin’ny famokarana ny fenitra ara-pahasalamana sy « phytosanitaire », fa kosa hery mitondra fifaninanana sy miaro ny fahasalamam-bahoaka. Namporisika izy mba hanafoanana ny sakana amin’ny fivezivezen’ny vokatra. Nandray fitenenana ihany koa ny Praiminisitra maorisianina, Navin Ramgoolam, izay nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miatrika ireo fanamby iombonana, ary koa ny fampihenana ny fianteherana amin’ny tsena ivelany amin’ny alalan’ny fanamafisana ny varotra eo amin’ny firenena ao amin’ny Ranomasimbe Indianina. Farany, ny Filohan’ny Union des Comores, Azali Assoumani, dia nanentana amin’ny fametrahana faritra famokarana ara-pambolena sy ara-tsakafo manerana ny nosy, amin’ny alalan’ny fampiasam-bola avy amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Tanjon’izany ny fanitarana ny fifanakalozana ara-barotra eo anivon’ny COI, sy ny famoronana asa ho an’ny tanora, amin’ny alalan’ny famokarana mahomby sy mifaninana. Ity farany izay nanipika fa zava-dehibe ny fampiharana ny fehin-kevitra izay noraisina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
28-avril-2026

intsony mitantana ny tanàna

Card image cap
28-avril-2026

Any amin'ny 900km no mitondra hataina eto Iarivo

Card image cap
28-avril-2026

Miantso ny rehetra ho sarotiny amin’ny vakoka sy harem-pirenena

Card image cap