airtel

Actualités

25-mars-2026

Firaisamonim-pirenena

"Aleo olona mahitsy sy ivelan'ny

Sample post image

Minisitera ihany no ho Minisitry ny vola"

25-mars-2026

Nambaran’ny Firaisamonim-pirenena anatin’ny Rohy omaly, fa naneho fahasahiana sy fahaleovantena tamin’ny famoahana ny tatitra ny Fitsarana momba ny kaonty raha namoaka ny tatitra fa 4000 miliara Ar latsaka kely ny volam-panjakana very ho an’ny 2024-2025. Hita, hoy izy ireo, fa nanao ny asany tamin’ny fahitsiana sy ny fahavononana hiaro ny tombontsoan’ny firenena. Mbola misy rafitra afaka mijoro amin’ny fahamarinana sy manohitra ny gaboraraka amin’ny fitantanana. Milaza izy ireo, fa hita sy tsapa fa antony lehibe mahatonga ny tsy fetezana sy ny tsy fanarahan-dalàna hita tamin’ireo Ministera maro ny fomba fiasa eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Vola. Nisy ihany koa ny fanomezana tambikarama ireo mpiasan’ny Ministera amin’ny kaonty ivelan’ny tetibolam-panjakana ankapobeny, ary koa ny fandoavam-bola tamin’ny fotodrafitrasa na asa mbola tsy vita na indraindray tsy nisy akory. Manaporofo ny fahalemen’ny rafitra sy ny tsy fanajana ny fitsipika fototra amin’ny fitantanam-bola. Antony lehibe nahafahan’ny Fitsarana momba ny Kaonty nanao ny asany an-kalalahana sy matihanina ny fisokafana nataon’ny Ministry ny Toekarena sy ny Vola (MEF) teo aloha. Tsy olona avy ao amin’ny Ministera izy fa manam-pahaizana ivelany, sahy manao mangarahara satria tsy matahotra ho voasaringotra amin’ny tombontsoa manokana. Ny tambazotran’olombitsy isan’ambaratongany dia nifampiaro sy nifampitondra tombontsoa manokana, ka nanakantsakana ny asa fanaraha-maso. "Noho izany, dia manao sosokevitra sy mitaky amin’ny Filohan’ny Fanavaozana sy ny Praiministra vaovao izay manao lokaloka ny hiasa ao anatin’ny fahitsiana sy ny mangarahara ary vonona ny hiady amin’ny kolikoly sy ny fanodikodinam-bolam-bahoaka izahay mba ho tazomina izay traikefa tsara izay ka ho toy ny teo aloha ihany : “olona ivelan’ny mpiasan’ny Ministera/tsy fôksioneran’ny MEF fa “Olona ivelany” manana ny “fahaiza-manao ilaina”, “vonona amin’ny mangarahara tanteraka“ ary sahy “miady hevitra sy manazava ny politikam-panjakana momba ny toekarena sy ny fitantanam-bola” atolony no ho Ministry ny toekarena sy ny vola », hoy ny fanambarana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap