mifandona ihany izany fa tonga hatrany an-tokantrano mihitsy izy io ary tsy vitsy ireo efa nisaraka. Tamin’ny datin’ny 26 Jaoary taona 2009 nisian’ny Alatsinainy mainty teto amintsika ohatra dia maro efa nisara-panambadiana. Ny lahy nanohana ny fitondrana mijoro amin’izao, ny vavy kosa nanohana ny filoha teo aloha Ravalomanana. Mbola mitohy mandraka ankehitriny io tranga hiainan’ny mpivady sasany io. Ho an’ireo izay nifampitso-drano dia efa nisaraka ny lalana fa ho an’ireo mbola nanohy kosa dia mbola mitohy ny fifandonana. Mifoha hatrany ny resa-politika manoloana ny fihanaky ny fahantran’ny Malagasy ankehitriny toy ny hoe : ianareo ihany no te-hifidy an’io, zao tsapanareo tsara ny vokany sy ny hoe : raha ny anay zao no mbola nitondra teo tsy ohatra an’izao ny fidangan’ny vidim-piainana, tsy mihafibe tahaka izao isika amin’ny resaka sakafo… Tonga hatrany amin’ny fifanomezan-damosina mihitsy izany amin’ny alina. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina Fokontany iray etsy Atsimondrano eny dia anisan’ny mbola adin’ny mpivady amin’izao io firehana politika tsy mitovy io. Latsain-dravehivavy ralehilahy rehefa mitaraina ho tsy dia mahita vola firy avy any am-piasana fa tsy nahatratra olona vokatry ny fitohanana mampahalaza izao fitondrana izao. Mitohy hatrany izany ka mihafara amin’ny tabataba tsy hifandrenesana manakorontana fiaraha-monina amin’ny alina. Ny mitovy firehana politika araka izany no tokony hiaraka na koa ireo mahay mifandefitra na dia tsy mitovy aza ny fomba fijery fa izay mahasoa ny tokantrano sy ny ankizy no jerena.
Pati
Legende : Efa nampisaraka mpivady maro ny firehana politika tsy mitovy teto amintsika !
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,
Hatramin’ny taona 2023 dia migadra ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lola Rasoamaharo,
Miverina mahazo vahana tsikelikely indray ny loto eny Analakely sy ny manodidina,
Nahatratra 230 isa ireo alika nirenireny tsy maintsy novonoina tao anatin’ny
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny