airtel

Actualités

29-avril-2026

Firosoana amin’ny

fampiasàna nomerika

Sample post image

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

29-avril-2026

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Novotel Ivandry ny fanombohana ny fampiharana ilay tetikasa antsoina hoe «Rahaka», izay natao hampisandrahaka ny fampandehanan-draharaham-panjakàna amin’ny alalan’ny nomerika manomboka amin’ity taona 2026 ity. Araka ny fanazavàn’ny minisitry ny fampandrosoana ny nomerika, ny paositra, ny fifandraisan-davitra, Mahefa Andriamampiadana, moa dia ankoatran’ny fialàna amin’ny filaharam-be rehefa hikarakara taratasim-panjakàna toy ny kopia nahaterahana na soram-piankohonana sy ny tahaka izany dia fomba iray hirosoana amin’ny fampangaraharahana tanteraka amin’ny fampandehanan-draharaham-panjakàna ihany koa izy ity. Ezaka atao amin’ny alalan’izy ity, noho izany, ny fampifandraisana ireo antotan-taratasy na «bases de données» mikasika ny olompirenena tsirairay amin’ireo andrim-panjakàna rehetra misy. Misy sampana manokana ihany koa hiarovana izay mombamomba ny olompirenena tsirairay avy izay, hoy hatrany ny minisitra. Efa hanombohana ny fampiharana ireo sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakàna samihafa toy ny EDBM, INSTAT, CNaPs ary mbola hisy miandalana ho avy ihany koa, raha ny fanazavàna voaray ihany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap