airtel

Actualités

26-avril-2021

Actualités

Fisetrasetrana amin’ny haino aman-jery Misy mampijabaka I Andry Rajoelina

Sample post image

Miharihary ny fifangaroan’ny hamehana ara-pahasalamana sy ny ara-politika. Hatao fitaovana hanapenam-bava sy hampanjakana

26-avril-2021

 

 

 

 

 hevitra tokona ny fampiharana ny lalàna momba ny toe-javatra manokana na “situation d’exception”eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, ka nampiharana ilay lalàna 91-011 efa tamin’ny 18 jolay 1991. Aretina no hiadiana, saingy ny fandaharana politika no hilàna kisa tsy havela handeha. Misy zavatra hafenina sy tsy tiana ho fantatra ao. Terena hihaino feo sy hevitra tokana ny vahoaka, ary hatao izay tsy hananany “répère” na ivo ahafahany mandinika sy mamakafaka ny zava-misy miainga amina fomba fijery marolafy intsony. Filàna kisa sy fanapenam-bava sisa no heverin’ny fitondrana fa vahaolana mahomby sy ahafahany miaro ny fahefana satria tsy mahavita mandresy lahatra ny Malagasy fa mety ny ataony. Raha miverina any amin’ny tantaran’ny fanonganam-panjakana 2009, dia isan’ny antony nanonganana an’Atoa Marc Ravalomanana ny fanakatonana ny haino aman-jery Viva, ny tsy nanesorana ny Minisitry ny serasera, ny minisitry ny toekarena,… Efa nandraman’ny fitondrana tany amina antsojay ho an’ny haino aman-jerin’i Marc Ravalomanana tamin’ny fanapahana ny fahafaha-mampita izany any amin’ny faritra ny raharaha. Toa nangina sy nanaiky ny andaniny, dia io akarin’ny ekipan’I Andry Rajoelina any amina haino aman-jery samihafa io ny daoziny. Asa raha tadidin’ny Filoha Rajoelina ny raharaha 2009 ka mbola ny nambara fa fahadisoana tamin’izany no haverina? Poizina ho an’ny Fitondrana sy fahadisoana politika io, ary karazan’ny misy mampijabaka izy. Tsy tambo isaina ny toe-javatra ahazoan’ny fitondrana Rajoelina tsikera sy tsikera, ka fanapenam-bava sisa heveriny fa vahaolana. Kolikoly amin’ny endriny maro, fitantanana tsy mazava ny tetibolan’ny covid-19, fanodinkodinam-bola na kiantranoantrano, tsy fahafehezana ny valanaretina,… Tsy vahaolana ny setrasetra, ary misy fetrany ny fahefana sy hery, ka samia ho ela velona, ka ny ho avy no hitsara.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap